Toa sakaizan’ny resy ny filoha Rajoelina

Naongan’ny miaramila ny filoha gineana Alpha Condé, Lietna kolonely Mamady Doumboya no nahavita ny raharaha, marihana fa namoaka fanambarana ity tompon’andraikitra tamin’ny fanonganana, ka ny antony nahatonga azy nandray andraikitra dia ny fahatsapana, fa tsy nandeha araka ny tokony ho izy ny fitantanana ny rahara-hampirenena, satria dia tafahoatra loatra ny fanamparampahefana nataon’ny Filoha Alpha Condé toy ny fampiasana ny fitsarana ho fitaovana hiaro ny tombontsoan’ny mpitondra, gaboraraka tanteraka ihany koa ny fitantanana ny volampanjakana, sy ireo harempirenena, satria manao izay danin’ny kibony ny mpitondra, ny vahoaka anefa etsy ankilany miaina ao anatin’ny fahasahiranana tanteraka.

Diso fantatr’izao tontolo izao ny hagaigen’ity mpitondra Gineana naongana ity, koa tsy nahagaga raha tsy dia nandrenesampeo loatra ireo filoha afrikana nanameloka io fanonganampanjakana io. Raha ny fanehoankevitra mifamoivoy eny amin’ny sehatra irai-sampirenena dia maro ireo mankasitraka ny fahasahiana nananan’ilay Lietnà Kolonely nahavita ny fandrodanana satria olona akaiky ny filoha ihany izy.

Inona tokoa moa ny maha-miaramila ny miaramila indrindra fa ny manamboninahita, fa natao hijoro « Ho an’ny Tanindrazana » sy «Hiaro ny vahoaka sy ny fananany », ka raha nanana ny fahasahiana ity Lietnà Kolonely ity dia midika izany, fa nanaja ny fianianana nataony teo ambanin’ny fanevampirenena izy.

Mahakasika iny raharaha nitranga tany Ginea iny dia nanaitra ny fahitana ireo sary tahiry nampiseho ny sarin’ny filohantsika miray latabatra amin’ny filoha frantsay teo aloha Nicolas Sarkozy, sy ity filoha gineana vao niongana Alpha Condé ity, satria lasa ihany ny saina aman’eritreritr’ireo izay nahita ilay sary ary samy vaky vava niteny hoe toa sakaizan’ny resy ity filohantsika Malagasy ity.