Jimmy Randriantsoa – Mandroso ny tanàna na tsy avy amin’ny fitondrana ny mpitondra

Isambilo

Vahiny tao amin’ny fandaharana Sahia Lasa Zao, iarahana amin’ny mpanao politika sy ny mpanao gazety Arphine Rahelisoa, sy Bao Razafimahefa, tao amin’ny radio sy ny televiziôna MBS ary ny Radio Mada, ny zoma alina lasa teo ny ben’ny tanànan’Alasora Avaradrano, Jimmy Randriantsoa. Nambarany tamin’izany, fa mandroso ny tanàna iadidiany, na tsy avy amin’ny antokon’ny fitondrana aza ny mpitantana. Mila fandraisana andraikitra hoy izy ny fiainam-pirenena. Tsy mahasakana ny ben’ny tanànan’Alasora hampandroso ny tanàna tantanany ny maha olon’ny antoko Tim azy. Izany aza no vao mainka mamporisika azy hitady ny fomba rehetra hanatsarana an’Alasora, satria izany no tanjon’ny antoko najoron’ny filoha Ravalomanana, hoy ihany ity olom-boafidy ity.

Nosoritany, fa ny ben’ny tanàna tompon’andraikitra dia tokony hihaino ny feon’ny vahoaka. Mila mahay miasa miaraka amin’ireo mpiasa ao amin’ny kaominina, na dia mety tsy mitovy hevitra aza. Mba anisan’ny miandry ny fanampiana avy amin’ny fanjakana foibe koa Alasora, kanefa tsy hiantehitra amin’izany ny ben’ny tanàna, fa matoa nirotsaka tamin’ny anaran’ny Tim dia efa niomana. Tsy ho simbaina amin’ny politika politisanina ny hatanorana, fa hanoratana tantara hotadidian’ny vahoaka. Tsy misy ny fahagagana, fa ny fahafatantarana ny laharam-pahamehana, no tsy misy matetika, izany no antony nisafidianany ny antoko Tim, satria ny antoko dia mampianatra ny olony hanavaka tsara ny maika sy ny zava-dehibe.

“Tanora tompon’andraikitra” ny teny filamatry ny tanora Tim, ka ny ben’ny tanàna ao Alasora dia miaina izany. Faniriany ny hahatonga ny mponin’Alasora hirehareha amin’ny maha vahoaka an’Alasora azy. Misy asa maro mbola miandry araka izany ao ambadika, hoy ity ben’ny tanàna tanora ity.