Antsirabe, 11 septambra 2021 – Hetsika lehibe no hataon’ny RMDM ny sabotsy izao

Ny Valosoa

Vita ny hamehana arapahasalamana, izay fanapahankevitra ankahamehana ihany, satria ny andron’ny 03 Septambra 2021 nandraisana ny fepetra dia mbola nisy maty teto Analamanga, ary vao namoizana aina fito ny Pesta tany amin’ny Kaomina Miandrandra, Distrikan’Arivonimamo, faritra Itasy kanefa efa izay fanafoanana ny hamehana izay no nataon’ny fitondrana, noho izany dia vonona hiatrika izay havoakany eo isika olompirenena.

Ny fanafoanana ny hamehana ara-pahasalamana dia midika hoe malalaka izany ny famoriambahoaka ankalamanjana , inona indray no tadiavina mihoatra an’izany, satria efa fotoanany izao hanetsehana ny any ifotony, f’efa tafahoatra loatra ny fanaparampahefana ataon’ny fitondrana ankehitriny, mahatsiaro manana adidy ny RMDM, satria izany mihitsy no andrasana amin’ny mpanohitra.

Antsirabe Renivohitr’i Vakinankaratra indray no Ambohipihaonana ny Sabotsy 11 Septambra 2021 izao, Antsirabe izay diso fantatra fa nisedra fahasahiranana nanomboka ny taona 2009, Antsirabe rahateo tanàna nijoro hatrany tamin’ny fiarovana ny ara-dalàna, tsy mahagaga raha manana Depiote Tim roa Antsirabe. Hetsika lehibe no hiseho ao an-drenivohitr’i Vakinankaratra ny sabotsy izao io, araka ny efa nambaran’ny Tanora RMDM ny faran’ny herinandro teo, ary namafisin’ny mpitarika ao anivon’ity vovonan’ny mpanohitra ity.

Tsy halavaina intsony ny resaka, satria efa ela no niandrasan’i Vakinankaratra io fihaonana io. Mazava ho azy fa raha vao RMDM no resahina dia ao anatiny ny Antoko Tiako i Madagasikara (TIM) , ilay antoko goavana indrindra eto amin’ny firenena, noho izany dia ho tonga mavitrika avokoa ireo mpikambana Tim sy ireo zanak’i Dada tsy ankanavaka , arak’ilay hira hoe “Sabotsy mifankahita” izany any Antsirabe.