EDITO 2 septambra – Antoko TIM – Tsy mpanohitra bontolo fa mijery ny tombontsoan’ny vahoaka

Helisoa

Na ao anatin’ny antoko mpanohitra aza ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) dia efa nanambara ombieny ombieny, fa tsy manohitra bontolo, fa mpanohitra mijery ny mahasoa ny vahoaka Malagasy, satria efa latsaka ankaterena ny firenena ankehitriny.

Maro ny sosonkevitra naroson’ny filoha Marc Ravalomanana, hamahàna ny olana eto amin’ny firenena amin’ny maha efa filohampirenena teo aloha azy, saingy mba noraisin’ity fitondràna ity ve izany? tsia no valiny, vao mainka aza anaovana vava be amin’ny haino amanjerim-panjakàna indrindra tamin’ny resaka CORONAVIRUS. Hoy ny filoha Marc Ravalomanana; hidio ny sisintany, zarao aro vava sy orona ny Malagasy, manafara vaksiny fa eee! Ny mifanohitra amin’izany no nataon’ny mpitondra. Tsy mafy noho ny pesta sy ny kolera io e! ny antsika tambavy CVO ihany. Tamin’izany moa dia nanambara ny filoha Ravalomanana tamin’ny valandresaka nataony, fa tsy maintsy miverina amin’ny fanapahankeviny ireo. Inona tokoa no nitranga, nafarana ihany ny vaksiny, nidiana ihany ny sisitany, saingy tara loatra, ny aretina efa niditra teto Madagasikara. Efa tsinjon’ny filohan’ny RMDM Marc Ravalomanana, fa ho mafy ny ahazo ny vahoaka Malagasy raha tafiditra eto io areti-mandringana io, saingy nataon’ny mpitondra tsinontsinona izany. Ny hainy dia ny mamoritra vahoaka amin’ny onjampeo milaza fa hamehana ara-pahasalamana no misy eto amin’ny taninin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Aseho daholo izao fepetra mamoritra vahoaka tsy ahafahana miasa mitady ny hanina ho arapaka isan’andro izao.

Fitondràna tsy mitsinjo vahoaka no misy eto, satria rehefa mamoaka lalàna ny mpitondra dia tokony hijery ireo ianjadiany hoe: ahoana no fiantraikan’ity fanapahan-kevitra ity amin’ny fiainan’ny mponina? tsy misy izany fa izay tianay ihany io fa anay ny fahefana hoy ny tompom-pahefàna. Miandrasa amin’ny 2023 ianareo mpanohitra, fa anay izao ny tanàna. Soa fa misy ny antoko mpanohitra toy ny TIM sahy manapotsitra ny zavatra tsy mety eto amin’ny firenena, fa raha tsy izany angamba dia manararaotra ohatra ny banga mihomehy alina ity fitondràna tsy mamely ity.