TAORIAN’NY FANOVANA GOVERNEMANTA

Aiza indray izao no halefa ireo havanana amin’ny hosoka,
Sy ireo olona efa zatra nanao lisitra vorosoka?
Sa dia ny hala-bato indray no efa tena hiomanana,
Ka dia any ireo no hafindra hikarakara fifidianana?

Misy tsy azo avela mantsy na dia hoe nesorina aza,
Fa nampiakatra anareo ho amin’ny “toeran-tsy sahaza”?
Ka tsy maintsy miara-dalana sy tsy maintsy miombom-peo
Ny tsy madio sy ny tsy marina, tranon-dainga toa anareo?

Ny olona tahaka ireny dia arovana hatrany,
Na dia be ny ratsy vitany, n’inona n’inona hadalany?
Tsy voakitika mihitsy mandra-pialany amin’ny toerany,
Ary mbola sahy midehaka fa tsy ho tapaka ny aferany!

Koa dia azo ambara tsotra ho sarintsarim-panovana,
Ity nataotao ankamehana tao anaty fitondrana.
Lakolosy efa fandre io, tsy antenaina hiova feo,
Fa dia ny teo hatrany hatrany ka dia efa mankaleo!

DADAN’i RIANA (30-08-21)