EDITO 26 aogositra – Fitondram-panjakana vaovao – Fantatra ny 90%, ny 10% toa mamoa-doza ho an-dRajoelina

Beharo

Nanakoako tamin’ny resaka nataon’ny filoha Rajoelina taorian’ ny fanendrena ireo minisitra vaovao, fa fantany manokana ny mombamomba ny 90% amin’izy ireo, ny zavatra nataony teo amin’ny fiainany sy ny zavatra notanterahany, azony antoka sy afaka miasa haingana.

fa nataoko “ENTRETIEN ” hoy ny teniny, ka tsy hatahotra ny hiakatra kianja. Tsorina anefa, fa vao 72 ora fotsiny dia nanipy satroka ny iray tamin’izy ireo, ka ny Praiminisitra mihitsy no misolo toerana azy, mitana vonjimaika ity ministeran’ ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika ity. Hita araka izany fa ilay 10% izay sisa tavela amin’ilay 90%, dia efa fambara loza sahady dieny ety am-boalohany satria kely tokoa, ratsy, nefa tsy kely làlana hoy ny filazana azy, izany hoe 10% tsy noheverina araka ny tokony ho izy, ka lasa manimba sahady ilay fenitra dradradradraina matetika ity.

Porofo mazava, fa misy izany ireo tsy nahafeno fepetra akory tamin’ireo minisitra nefa dia notendrena, efa voaheloka an-tranomaizina, voasaringotra tamina raharaha diplaoma hosoka, simba dosie tamin’ny fanodinkodinam-bola. Manampy trotraka ireo sahady koa ohatra ny filazana ny tsy fahaizana ny tenim-pirenena, ny fiaraha-mitsinjaka any andafy, izay fanehoana fa olon’ny antoko tokoa, fa tsy olon’ny vahoaka Malagasy. Eo ihany koa ny hetsika any frantsa izay maneho ny tsy fankasitrahana ny fanjakana ankehitriny, mampirantiranty sora-baventy.

Araka izany dia aoka ho feno 100% hatrany ny dinika atao vao manendry, fa tsy atao petatoko toy ity fanjakana marefo ity.