Ministeran’ny harena ankibon’ny tany – Raisin’ny Praiministra Ntsay Christian ny fitantanana azy

Niaina

Voalaza fa araka ny maha ministera stratejika ny ministeran’ny harena ankibon’ny tany, sy ny loharanon-karena stratejika dia ho raisin’ny Praiministra Ntsay Christian, ny fitantanana izany ministera izany nanomboka omaly. Vita omaly ny famindram-pitantanana teo aminy sy ny ministra teo aloha Fidiniavo Ravokatra. Voalaza tamin’izany fa nampahantra an’i Madagasikara ny fitrandrahana ny harem-pirenena hatramin’izay. Mila fanovana izany manomboka izao hoy ny Praiministra sady ministra mpisolo toerana misahana ny harena ankibon’ny tany. Ho laharampahamehana hoy izy ny famoahana ny lalàna misahana izany na ny “code minier”, mba hahazoana tombony ho an’i Madagasikara. Eo ihany koa ny fijerena ny fifanaraham-piaraha-miasa amintsika sy ireo orinasa mpitandraka. Tanjona voalohany dia ny hampitombo ny tombontsoa ho azon’i Madagasikara amin’ny sehatry ny fitrandrahana. Fihaonana tamin’ireo tompon’andraikitra rehetra eo anivon’ny ministeran’ny harena ankibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika, no nanombohan’ny lehiben’ny governemanta ny asa amin’ny maha mpisolo toerana ny tenany.

Ho mpisolo toerana vonjy maika tokoa ny Praiministra, fa na ny asa maha lehiben’ny governemanta azy aza tsy arany, mainka mbola hisahana ministera izany dia ho sahirana tokoa ny Praiministra Ntsay Christian.