Antsiranana – Miato hatramin’izao ny fitsarana ny fanadinana bacc

Isambilo

Mitohy ary miha-mafy amin’izao fotoana, ny fitokonan’ireo mpampianatra mitsara ny fanadinam-panjakana bakalôrea (bacc), any Antsiranana faritra Diana. Noho izay antony izay, mbola miato ny fitsarana izany fanadinam-panjakana izany, satria hatreto dia mbola migrevy tsy mitsara fanadinana ireo mpampianatra voakasika ny fitsarana, noho ny tsy fahazoany ny tambin-karamany tamin’ny taom-pianarana 2019-2020.

Ao amin’ny tokontany malalaky ny Lycée ZAFY Albert Antsiranana no hanaovan’izy ireo sitting. Feno mpitandro filaminana ihany koa ny faritra misy azy ireo. Araka ny nambaran’ireo mpampianatra, voalaza fa efa nalefan’ny ministeran’ny fampianarana ambony hatramin’ny ela ny tambin-karamany nefa tsy mbola voarain’izy ireo hatramin’izao. Ny zava-misy any amin’ny renivohitry ny faritra Diana dia mbola manaporofo indray, fa fitondrana tsy mpanefa volan’olona izao fitondrana Rajoelina izao.