Randriamamizafy Ignace – Famonoana ny tantsaha ny fampihenana ny vidim-bary eny ifotony

Aly

Naneho ny heviny mahakasika ny fidinana ifotony, tany amin’ny faritra Alaotra, nataon’ny ministry ny indostria sy ny varotra Edgar Razafindravahy, ny mpanao politika avy amin’ny antoko TIM, Ignace Randriamamizafy. Nambarany fa: “tsy ekena ary lavinay marindrano ny tetika fampidinana ny vidim-bary vokarin’ny tantsaha mivantana. Famonoana ny mpamboly mivantana izany”.

Atoro ihany ny mpitondra tsy olan’ny tolotra sy ny tinady no mampiakatra ny vidin’ny Ppn, fa olan’ny pouvoirs d’achats, na fahefa-mividy sy ny quantités vendues par jours, na habetsahan’ny lafo isan’andro, ho an’ny detaillants sy grossistes miampy ny parameter, na ireo fepetra hafa toy ny lalana simba,…

Mihena be ny quantité vendue any amin ny détaillants dia mihena automatique ny quantités vendue any amin’ny grossiste dia mitarika perte de trésorerie (mihena ilay vola maty isan’andro). Mba hamenoany an’iny fatiantoka amin’ny trésorerie iny dia akariny ny vidiny, hoy izy. Ny fampihenana ny vidin’ny voka-bary any amin’ny tantsaha dia mampihena ihany koa ny vola miditra any amin’ireo mpamokatra ireo, ka tena mamono azy tokoa.