Fiainan’antoko – Mihetsiketsika mikolokolo ny fototra ny antoko TIM

Isambilo

Mihetsiketsika mikolokolo ny fototra, na ny base amin’izao fotoana ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM). Nisy tamin’ity herinandro ity ny hetsika fameloma-maso sy fanetsehana ny ao amin’ity antoko najoron’ny filoha Marc Ravalomanana ity, tao amin’ny Boriboritany faha-6 sy tao amin’ny Boriboritany faha-3. Nitarika izany ny avy amin’ny birao politika nasionalin’ny antoko, nahitana ny sekretera jeneraly Rina Randriamasinoro, Jean Claude Rakotonirina ary Julien Andriamorasata. Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny antoko nandritra izany, fa “fotoana izao ny tsy maintsy handraisantsika andraikitra feno hanamafisana ny antoko, hafahantsika miverina indray eo amin’ny fitondrana, mba handraisana an-tanana ny ho avin’ ny firenena sy ny taranaka faramam-dimby”. Ho fanomanana ny redynamisation na fameloma-maso sy fanetsehana izay ny TIM ao amin’ny boriboritany faha3, nisy ny fivoriana niarahan’ireo birao politika tamin’ny tomponandraikitra tao anatin’ny boriboritany omaly maraina, tao amin’ny QG Bel’Air.

Ao anatin’izany hetsika politika ataon’ny antoko TIM izay ihany, vahiny tao amin’ny fandaharana Miara-Manonja, tao amin’ny Radio Mada sy MBS ary ny televiziona MBS i Michelle RAZANAMAHERY, anisan’ny mpanetsika ny tanora TIM amin’ny faritra Analamanga. Nambarany tamin’izany, fa tsy hijanona amin’ny fanavaozana ny rafitra sy fampitomboana ny mpikambana fotsiny ny redynamisation izay tontosain’ny Antoko TIM, fa miroso amin’ny “revolution politique”, na revôlisiôna politika. Ao anatin’izay fanabeazamboho ny antoko izahay, no efa hamolavolana sahady ny tanora ho tonga olona tena tompon’andraikitra, hanana fomba sy toetra mendrika hiatrehana ilay tena politika marina sy mahintsy.

Mivonona amin’ny fitantanana ny firenena ny antoko, ka nomena sehatra kokoa ny tanora. Ampahafatarina ny tanora izay miditra anaty antoko ny “engagement”, mba hananany toerana anaty rafitra, eny fa na tsy tafiditra ao izy dia afaka mandray anjara amin’ny fitondrana avo ny firenena. Izay 12 taona nilazana fa naha resy lava ny TIM izay hoy izy dia nahafahan’ny antoko nahazo hery sy lesona maro tsy idirana amin’ny politika maloto. Ary indrindra ny fananany mpitarika manana fahaizana sy fahasahiana izay tsy ananan’ny hafa. Ho ampahafantarina ny mpikambana sy ny olom-pirenena, indrindra ny Tanora, ny tena hevitry ny politika, satria maro no diso fandray noho ny fampianarana ny politika teto hatramin’izay, hany ka heverin’ny olona ho ratsy foana ny politika. Nanao antso ho an’ny tanora koa ity mpiandraikitra eo anivon’ny fanetsiketsehana ny TanoraTIM ity, mba tsy hiraviravy tanana amin’ny fanaovana politika, fa ny fijoroana ihany no hahafahana mitondra ilay tena fanovana hanandratra ny firenena.

Ao anatin’izay hetsika ataon’ny TIM izay ihany, fialamboly sy politika indray kosa no loha-hevitry ny hetsika hataon’ny Vehivavy TIM Analamanga, ho an’ny olon-drehetra tsy ankanavaka etsy amin’ny kianjan’ny Finoana Magro Behoririka anio sabotsy. Fialamboly maro samy hafa no ho hita ao mandritra izany, rindran-kira sy zava-kanto, varotra fampirantiana, fanentanana maro samihafa, hoy ny filohan’ity fikambanam-behivavy mpanao politika ao amin’ny antoko Tiako i Madagasikara ity, Arphine Rahelisoa, raha tafaresaka tamin’ny mpanao gazetin’ny gazety Ny Valosoa.