Fiainam-pirenena – Mbola ho ela ianareo vao ho tafarina

Beharo

Hita sy tsapa tato ho ato, fa hita ao amin’ireo mpitondra fanjakana, ka mipaka aty amin’ny vahoaka mihitsy ilay lohatenin-kira fahiny manao hoe: Mbola ho ela ianareo vao ho tafarina, ary mivadika hoe: mbola ho ela isika vao ho tafarina, raha ny zava-misy sy miseho eto amin’ny firenena no jerena bango tokana.

Ankoatry ny lafiny fandriampahalemana, ny filaminam-bahoaka, ny varotra sy toekarena, izay efa mihoam-pampana ny tsy fetezana amin’izany, ny ara-tsosialy, izay efa mahamenatra, dia indro hita misongadina tsikelikely indray ity ny maha-vazaha manara-penitra ny sasany, izay inoana, fa hanimba tokoa raha tsy voafehy haingana. Ny tian-kambara dia efa tsy eken’ny maro mihitsy ohatra ireo mpitondra mizaka ny zom-pirenena 2 samy hafa, malagasy sy frantsay no tena tiana hambara, ka mahatonga azy ireo hiteny hoe: aoka izay mizaka zo vahiny hafa fanampiny, mba tsy hitantana na ho ngetroka eto amin’ny firenena fa tena manimba tanteraka, satria rehefa tonga ny andro manahirana dia mahita handehanana any ivelany foana izy ireny fa ny vahoaka no taraiky eto.

Porofo maro no efa hita tamin’izany, toy ny mody hanao vaksiny any ivelany, ny fandehanana hitsabo tena, hanatrika ny fetim-pianakaviana na fitsidihana ireo taranaka izay vita mora tokoa, miampy ny fivoahana mora dia mora eny amin’ny seranana sy ny sisa… nefa ny rehetra dia tavela eto hatrany.

Tsorina fa nahatonga ny olona hamoaka ireny feo ireny dia ny fahitana indray ity governemanta vaovao ity toa vao famindram-pahefan’ny samy malagasy fotsiny dia efa teny vazaha, izay nambaran’ireo tsy ampy fivelarana, fa toetra efa manahirana ny vazaha tapany iray eto Analamanga eto ohatra, ka manjary fanaovana tsinontsinona an-dRamalagasy mihitsy.

Teny atsipy avokoa ireny, ako sy feo hita teny rehetra teny, izay tsapa fa LENTIKA ho an ‘ny firenena, ka sao lasa vary amin’anana toy ny fanaon ‘ny minisitra iray fony izy mbola serasera tamin’izany fotoana. Tsarovy anefa fa na ny amiraly Ratsiraka aza fony fahavelony dia efa tsy nanao ambanin-javatra ny fanagasiana, nanao izay nety tokoa nefa dia mitady ho lasa kitoatoa ny eto ankehitriny!