Fandaharana Sahia Lasa Zao – Manome lanja ny vehivavy sy ny tanora ary ny politika

Isambilo

Niditra tamin’ny andiany faha-3 sahady omaly alina, ny fandaharana Sahia Lasa Zao, tao amin’ny fahitalavitra MBS, entanin’ny mpanao gazety sy ny mpanao politika: Rahelisoa Arphine sy Bao Razafimahefa. Fandaharana anomezana sehatra ny vehivavy sy ny tanora ary iresahana politika, sosialy ary toekarena amin’izao fotoana.

Vahinin’ny fandaharana indray omaly alina ny solontenan’ny vehivavy RMDM avy any amin’ny faritra Vatovavy Fitovinana, Petera Soa. Niresaka mahakasika ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana, indrindra ny mahakasika ny tsy fahombiazana sy ny kitoatoa lava ataon’izao fitondrana Rajoelina izao. Momba ny fanendrena ireo mpikambana vaovao ao amin’ny governemanta, tsy hitondra na inona na inona amin’ny fiainam-bahoaka izany, hoy izy. Vao nijoro aza ity governemanta ity dia efa hita sahady ny tsy fahatomombanana tamin’ny fampijoroana azy, nisy sahady ny nametra-pialana, ny ministra hafa nafindra amin’ny toerana izay toa tsy ho zakany akory, ny hafa manao alahelon-toerana,…

Miaina sy miroborobo ihany koa hoy ity mpikatroka avy amin’ny fanoherana ity, ny RMDM any amin’ny faritra misy azy any Fitovinany any Manakara.

Ny fandaharana
YouTube https://youtu.be/LeN7iBVXrpo