Fampodiana ireo teratany Malagasy tavela tany ivelany – Tonga omaly ny sidina andiany voalohany

Niaina

Tonga omaly teny Ivato ny sidina fampodiana ireo teratany Malagasy andiany voalohany tavela tany ivelany, ao anatin’ny ady amin’ny valanaretina coronavirus eto amintsika.
Nilamina sy hentitra ny fanaraha-maso ny toe-pahasalaman’ ireo olona tonga teo am-pahatongavana.

Tsara ny manamarika, fa mialohan’ny niaingan’ireo mpandeha ireo tany amin’ny toerana nisy azy dia nandalo fitialiana « PCR » avokoa izy ireo ary ireo izay nanana valim-pitiliana miiba (PCR NEGATIF) ihany, no afaka niondrana tamin’ny sidina. Teo am-pahatongavana omaly maraina, naverina natao « PCR » avokoa izy ireo ary mihiboka mandritra ny 05 andro.

Aorian’ izay dia haverina hatao “PCR” indray, ary raha miiba (Negatif) dia hivoaka hamonjy ny fianakaviana. Raha sanatriavina kosa ka miabo (Positif) dia manaraka fitsaboana avy hatrany ary raisin’ ny fitondram-panjakana an-tanana araka ny nambaran’ Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, izay tonga teny an-toerana nanaramaso ny fandaminana mikasika ny fanarahamaso ny fahasalaman’ ireo teratany malagasy namonjy fodiana ireo. Ministera maro no mifanome tanana amin’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, amin’ny fampiharana izao fepetra ara-pahasalamana izao, araka ny namabarany.

Ny irarian’ny maro dia mba tsy ho fototra hahatongavan’ny andiany faha-3 amin’ny coronavirus, na 3è vague eto Madagasikara ireto olona vao tonga ireto.