Ny mahakasika ireo mpikambana vaovao amin’ny governemanta

Andry Tsiavalona

Tafapetraka tokoa ny governemanta « vaovao » andro vitsy taorian’ny nahataperan’ny « fepotoana » niasan’ireo teo aloha. Raha ny marina dia tsy nisy fepotoana voafaritra iasan’ny governemanta ao anaty Lalàmpanorenana, saingy ao anatin’ny hamehana moa ny Firenena amin’izao fotoana izao, ka araka ny mahazatra azy dia afaka mandray fanapahan-kevitra araka izay tiany ny mpitondra.

Raha tombanana ny zava-bitan’ny govenemanta teo aloha dia tsy nisy fivoarana sy fampandrosoana azo notsapain-tànana teo amin’ny sehatra rehetra satria latsaka ao anatin’ny lavaka mangitsokitsoky ny fahantrana ny vahoaka malagasy, ka laharana faharoa avy any amin’ny farany no misy an’i Madagasikara. Miiba 0,4 ny harinkarena faobe izay tsy mbola nisy toy izany teto tao anatin’ny iraika ambienimpolo taona namerenana ny fahaleovantena izay. Tsy nisy tanteraka ireo tetikasa nampanantenaina rehetra na tamin’ny fampielezan-kevitra na nandritra izay fotoana nitondran-dRajoelina Andry izay. Nanambara ny filohan’ny Repoblika tamin’ny heriny alahady, fa tao anaty lavaka be no nisy ny Firenena raha nandray ny fitantanana ny Firenena izy tamin’ny taona 2009. Ny zava-misy anefa dia 5,2 ny tahan’ny harinkarena faobe tamin’ny nifaranan’ny fitondrana Rajaonarimampianina Hery. Angamba nahatsapa ny filohan’ny Repoblika, fa nampiesona azy ihany ny minisitry ny Toekarena sy ny Vola raha nilaza fa azo atao tsara ny hampiakatra ny harinkarena faobe ho 4% amin’ity taona ity, ka dia nesoriny ary nosoloiny olon-kafa.

Niteraka resabe ihany koa ny minisitry ny Atitany momba ny raharaha « écrans plats », tsy teo anivon’ny politisiana ihany fa hatrany amin’ireo mpiara-miombon’antoka ihany koa, ka nakipily tsy hisahana izany andraikitra izany intsony. Tsy vitan’izay fa maro ireo tetikasa efa teo an-dàlam-panatanterahana tamin’ izany ary izao fitondrana izao no nitokana ireny sady mirehareha, fa izy no nahavita izany noho ny fitokisan’ny mpiara-miombon’antoka. Ireo efa vita tanteraka kosa dia niniana tsy notokanana mihitsy toy ny seranam-piaramanidina eny Ivato sy ny fitobian’ny taksibrosy, Fisandratana eny Ambohimanambola izay notapenana ny takelaka nisy io soratra io ary nolokoina lokon-doranjy ny fotodrafitrasa.

Nisy koa ireo minisitra izay niverina amin’ny toerany kanefa nisalovana tamin’ny anjara andraikitry ny hafa, eny toa nitonontena ho mpisolovava ny filohan’ny Repoblika mihitsy aza indraindray. Rehefa nomena ilay mariboninahitra ambony manaraka ny an’ny filoham-pirenena kosa ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarmariam-pirenena, ny jeneraly Ravalomanana Richard, dia izay vao nampoizina fa nisaorana izy na dia azo lazaina fa nahavita izay iraka rehetra nampanaovina azy izy, tsy vao izao fa efa tamin’ny tetezamita ihany koa.

Tsy nisy vokany ny fitakiana ireo Nosy Malagasy, ka tsy fantatra intsony izay tsy nanana ny herizika na ny filohan’ny Repoblika mihitsy na ny minisitry ny raharaham-bahiny, fa dia nesorina tamin’ny toerany ity farany. Ny minisitra vaovao voatendry amin’ity departemanta ity anefa no resahina dia manahirana satria toa vazaha frantsay mihitsy no notendrena amin’ ny toerana, ka tsy azo antoka velively fa hanohitra ny fanapahan-kevitry ny fitondrana frantsay izy na dia azo kilasiana ho anisan’ny mpanohitra aza any Frantsa.

Roambiroapolo moa ireo minisitra vaovao, ka na nofitimpitinina aza ny momba azy ireo tsirairay avy dia vitsy ihany no efa mpiseho sehatra amin’ny haino aman-jery, ka ho hita eo ihany izay hoentiny amin’ny asa fampandrosoana ho an’ny departemanta misy azy, ka hisy fiantraikany tsara amin’ny fiainan’ny Malagasy tokoa.

Azo lazaina fa efa bankirompotra ny orinasam-pirenena Air Madagasikara amin’izao fotoana izao, satria efa am-bolana maro no tsy nandray karama intsony ny mpiasa ary tsy misy sidina ataony intsony. Tsy misy tetika hita soritra mizotra any amin’ny fanarenana izany ny fitondrana hatramin’izao, ka asa raha hahita vahaolana entina amin’izany ny minisitra vaovao voatendry. Ahiana ho toy ny Mada Rail koa no mety hanjo ity orinasam-pirenena ity, ka mila olona sahy mandray andraikitra ny fanarenana ny Air Madagascar izay reharehan’i Madagasikara tokoa nandritra ny enimpolo taona lasa. Ho hita eo raha afaka hanova ny tantaran’i Madagasikara tokoa izao fitondrana izao ka hitodika aty avokoa ny mason’izao tontolo izao, fa raha ny roa taona sy fito volana nitondrany ny Firenena no atao jery todika dia ny manantena tsy misy no sarotra fa ny mamoy mora foana.