Faran’ny herinandro teo tany Morondava – Nahatratra 1200 mahery ny olona niditra TIM

Niaina

Mavitrika niditra ao anatin’ny antoko TIM: Tiako i Madagasikara ny olona any Morondava faritra Menabe. Ny faran’ny herinandro teo, nandritra ny fanetsehana sy fameloma-maso ny antoko tany an-drenivohitry ny faritra Menabe, natao tao Morondava Centre, nahatratra 1200 mahery ny olona voasoratra anarana hiditra ao amin’ity antoko najoron’ny filoha Marc Ravalomanana ity.

Araka ny nambaran’ny iray amin’ireo mpitarika ity antoko ity any an-toerana, Rivojaona Raherimihaja: “ mavitrika amin’ny fidirana ho mpikambana Tim ny vahoaka aty Menabe, 1200 no nahafeno ny fepetra hiditra androany ary nandoa ny sarampidirana 1000 Ar. Miandrandra ny fahatongavanao aty Andriamatoa filoha Marc Ravalomanana amin’ny kongresy Tim izay hatao tsy ho ela. Tsy nisy fizarana vola aty, fa fanangonambola ho fampandehanana ny antoko no natao”, hoy ity mpanao politika ity.

Arak’izany, miomana amin’ny fanatanterahana kongresim-paritry ny antoko ny any amin’ny faritra Menabe iny amin’izao fotoana, kongresim-paritra izay vinavinain’izy ireo ho tanterahana ny 4 septambra ho avy izao. Araka ny nambaran’ny mpitarika ihany, efa mahatratra 1500 mahery amin’izao fotoana ireo mpikambana amin’ny antoko TIM any amin’ny renivohitry ny faritra Menabe.