IZAY MITENITENY FOANA DIA HOMENA AN’INGAHIBE…

Efa lasa fahazarany ny miteniteny foana.
(Zary lasa fihomehezana sady mampanongo tena!)
Telo andro no nomeny, tena izay ilay fe-potoana,
Dia hoe hidina amin’izay ny vidin’entana eny an-tsena!

Kanjo hatreto dia tsy tazana izay mba sombim-piovana.
( Fitondrana firenena, tsy fanaovana mazika!)
Tsy nandaitra izay voalaza fa mitohy ny fahantrana.
Mihamilentika hatrany i Madagasikarantsika!

Efa lasa fahazarany ny miteniteny foana.
Marobe ireo nofinofiny saingy tsisy mba tanteraka,
Fa hijanona ho teny, tena “teny tsy tsaroana”,
Ambatolahibevohoka mantsy no andrasany ho teraka!

Hosinganina amin’ireny Ambato hivadika ho Parisy,
Sy Toamasina, atsy ho atsy, hanjary ho lasa Miami.
Ny lalana mankany anefa mampiteny hoe “indrisy”!
Toa voafehin’ny fiteny hoe “fa dia inona àry ity?”

Efa lasa fahazarany ny miteniteny foana.
(Tsy voafehiny intsony hatramin’ny teny izay lazainy!)
Moa ve tampina ny masony ny amin’ny loza manoloana?
Ny miaiky, ny mitsotra, moa ve zavatra tsy hainy?

…Fa mitohy hatrany hatrany ny hadalana sy hagegena,
Na dia efa handifotra azy irony rano izay hitàna.
Mba meteza ho tonga saina ry mpitondra firenena.
Efa maneno ny trompetra, apetraho ny fialàna!

DADAN’I ZINA (15-08-21)