EDITO 14 aogositra – Fahataperan’ny asan’ny ministra – Tsy fanarahan-dalàna hafa indray nataon’ny fitondrana Rajoelina

Helisoa

Nanambara ny filoha lazaina fa mamimbahoaka Andry Rajoelina, nandritra ny fandaharana nataony ny alahady teo tamin’ny haino aman-jerim-panjakaana, fa ao anatin’ny 3 andro dia ahita vahaolana ny tenany amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana sy ny vidin’entana, izay efa tsy takatry ny fahefa-mividin’ny vahoaka Malagasy intsony amin’izao fotoana. Dila ny fotoana, efa ho herinandro izao, tsy misy fiovàna ny vidin’entana eny an-tsena, fa vao mainka aza misondrotra hatrany.

Ny zavatra hita dia nahita zavatra amiliviliana ny saim-bahoaka ny filoha Andry Rajoelina rehefa hitan’ity farany, fa tsy ahita vaha olana izy hamahana io resaka fisondrotam-bidim-pianana io. Tsy maintsy ho avy ny vahoaka hiteny indray hoe misy ny lainga vaovao hampandriana andrisa ny Malagasy izay efa fanaon’ny mpitondra ankehitriny. Dia nisy TETIKA namiliviliana ny saim-bahoaka tamin’ny famoahana taratasy tsotra, fa hoe tapitra ny fotoam-piasan’ireo minisitra mandrafitra ny governemanta. Taiza no mbola nisy toy izany tao anatin’ny 60 taona raha tsy amin’izao andron’ny mpitondra ankehitriny izao? Didim-panjakana no nanendrena an’ireo minisitra ireo! Noho izany tokony ho didim-panjakana ihany koa no manala azy ireo amin’ny toerany, na mampiato azy amin’ny asany.

Mbola tsy fanarahan-dalàna hafa indray arak’izany ity nataon’ny filoha Rajoelina, sy ny Praiministra Ntsay ity. Ny solombavambahoaka, ny loholona, ny ben’ny tanàna,… izany hoe ny olom-boafidy no misy hoe tapitra fotoam-piasàna, fa tsy ny minisitra mihintsy. Ny hita dia fitondràna tsy manaja ny lalàna eto amin’ny tany sy ny fanjakàna no misy eto, ka izay mampetipety azy ihany no ataony. Efa impiry ny Rodoben’ny Mpanohitra eto Madagasikara (RMDM), no nilaza fa mpitondra tsy manaja ny lalàm-panorenana, tsy manaja lalàna no misy eto ary manao izay tiany atao amin’ny fanapahankevitra raisiny.

Fehiny, na hiova in-100 aza ny governemanta izay hajoro eo dia tsy misy azo antenaina aminy, satria ny lohany mihintsy no matsatso. Ankoatra izay tsy azo tarafina fa voafidim-bahoaka fa lany tamin’ny karapanondro sy karam-pifidianana miverimberina (doublons) ny filoha Andry Rajoelina, tsy credible na tsy atokisan’ny vahoaka Malagasy intsony, izany hoe tsy marin-toerana. Ny vahaolana araka ny fehin-kevitra navoakan’ny RMDM nandritra ny fikaonandoha nataony teny amin’ny Bypass Alasora dia ny fialàn’ny filohampirenena hatrany, satria raha fanovàna governemanta izany dia Ikotozafy ihany no Lexis araka ny fitenin-jatovo, no hisy eto.