Ampijalian’ny Jirama 3 andro tsy nisy jiro ny any Mampikony

Stefa

Ampijalian’ny orinasa Jirama, izay no azo ilazana azy, satria 3 andro be izao tsy nisy jiro ny any Mampikony, any amin’ny faritra Sofia iny. Velon-taraina noho izany ny mponina any an-toerana, satria 3 andro izy ireo tsy afaka nanaraka vaovao, 3 andro tsy nandeha ireo fitaovana rehetra mampiasa rianaratra toy ny vata fampangatsiahana satria tanàna mafana i Mampikony amin’izao fotoana, na ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina aza ny eto amintsika.

Simba noho izany ireo entan’ny olona notahirizina tamin’ireny vata fampangatsiahana ireny. Tsy afa-niasa ihany koa ireo mpiasa hafa tsy maintsy mila jiro. Manaitra ny sain’ny tompon’andraikitr’ity orinasa misahana ny resaka angôvo ity arak’izany ny any an-toerana, mba hijery vaha olana maika mahakasika izao olan’ny tsy fisian-jiro any Mampikony izao.