14 Aogositra – Taratasin’ny mpamaky

Fanehoan-kevitra ampitaina amain’ny gazety Ny Valosoa Vaovao izao manaraka izao mahakasika ny fiainam-pirenena, indrindra ny momba ny fanovana governemanta.

Tsy haiko intsony ny ilazana an’i prezida Rajoelina ity, niveau tsy ampy ve sa zatra manipulation? ny azo lazaina aloha dia fantany tsara ny fahantram-bahoaka ankehitriny.

1.Nahoana no ailika any @ minisitra ny rihitry ny tsy fahombiazana? ny minisitra ange ka mpanatanteraka fotsiny e, tsy afaka mindram-bola any @ BM sy FMI hanaovan-dalana, fa izay voasoratra ao anaty lois de finance ihany no ampiasainy, ireny aza i Ahmad nitady fanampiana t@ covid tonga dia voaroaka.

2.Nahoana no mbola remaniement no atao, fa tsy changement de gouvernement? efa in-3 novaina io governemanta io, fa mitohy mahantra ihany ny gasy. Sao dia ny Pm an’ny CI io mihitsy no olana tsy ahavitana ny fampandrosoana nampanantenaina? midika aloha fa tsy sahy manala an’io PM io Rajoelina hatreto.

3.Sao dia ny filoha Rajoelina mihitsy no efa tokony hiala? Mpitarika tsy mahavoafehy ny ekipa, mpitarika tsy misy mpanaraka ny baikony, noho izany tokony hahatsapa tena hiala mihitsy ny filoha Rajoelina.

Ernest Rafanomezana
Mpamaky gazety Ny Valosoa