VOATERY KA TSY MAINTSY HANOVA IHANY

Azoazo an-tsaina ihany ny amin’ny mety ho fanovana.
Misy ngeza tiana hotanana saingy dia voatery alàna,
F’efa mampimenomenona, eny hatramin’ny manodidina,
Noho ny hevitra bontolony sy ilay izy “sain’angidina”!

Azoazo an-tsaina ihany ny amin’ny mety ho fanovana,
Fa ireo vavàna hatrany no inoana ho voatana.
Ireo izay tena tsy mahomby, ireo izay efa tena fositra,
Mody hoe afindra toerana na bitsihina handositra!

Azoazo an-tsaina ihany ny amin’ny mety ho fanovana.
Ireo mangina, miasa tsara, ireny hatrany no dakana.
Ny fiteny dia ny hoe “izay mangina volamena”,
Fa ho an-dry boaikely: “izay mangina dia hosena”!

Azoazo an-tsaina ihany ny amin’ny mety ho fanovana.
Tsy “fanahy madio” no miasa fa “fanahin’ny fandravàna”.
Ny hamotika hatrany ireo manoro am-pahendrena,
Izay no hany tsangan-kevitry “ny foza”, raha jerena!

Azoazo an-tsaina ihany ny amin’ny mety ho fanovana.
Ny hanamafy seza hatrany, izay no fototra iaingàna.
Izay mba tombontsoam-bahoaka dia mazàna tsy voajery,
Fa ny atao dia ny hileran’izy ngeza samy irery!

DADAN’i RIANA (13-08-21)