EDITO 12 aogositra – Faha-2 taonan’ny RMDM – Hita taratra ny firaisankinan’ny antoko mpikambana rehetra

Helisoa

Tontosa soa amantsara ny fankalazana ny faha2 taonan’ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara: RMDM, ny talata 10 aogositra lasa teo, tao amin’ny kianjan’ny Finoana Magro Behoririka. Hita taratra tao anatin’izany ny firaisankina teo amin’ny antoko mpikambana rehetra mandrafitra ny RMDM, satria dia tonga marobe ireo vahoaka na tao anatin’ny andro fiasana sy fanadinana bakalôrea nataon’ireo zandry zanaka aza ny fotoana nanaovana ny fankalazàna. Midika izany fa resy lahatra ny vahoaka Malagasy na dia solontena aza ireny tonga tao amin’ny kianjan’ny FINOANA ireny, fa manakim-po amin’ny lehiben’ny antoko mpanohitra eto Madagasikara izy ireo dia ny filoha Marc Ravalomanana izany.

Nisy nandritra ny fankalazana ny famerimberenana ny fehin-kevitra 16 tapaka tamin’ny fikaonandoha nasionaly natao ny 13 sy 14 jolay lasa teo teto Antananarivo, mba ho fanentanana ny olona ho tonga saina sy ho sahy handray andraikitra manoloana ny zavatra tsy mety eto amin’ny firenena, satria izay no antom-pisian’ny antoko mpanohitra. Tsy hanafosafo ny fanjakàna, fa hanambara kosa ny zavatra tsy mety miseho eto amin’ny tany sy ny fanjakàna.

Na izany aza anefa dia ilaina ny firaisankina eo amin’ny antoko mpanohitra, mba hahatokisan’ ny vahoaka, fa tsy mpitady seza izy ireo, fa mpanohitra tena hijery ny tombontsoan’ireo vahoaka tokoa, izay efa tafiditra ao anaty fahantrana ankehitriny vokatry ny tsy fahaiza-mitantana ataon’ireo mpitondra. Ny filoha Marc Ravalomanana moa dia tsy sasatry ny manambara fa ny antom-pisiany dia marary loatra aho hoy izy mahita ny zavatra manjo ny Malagasy; ka ny andro sisa iainako dia atokako amonjena ireo mpiray tanindrazana amiko.