Lalampirenena faha-7 (RN7) – Voay niakatra an-tanety

Zavatra tsy dia fahita no nitranga tamin’ny lalampirenena faha-7 (RN7) omaly, niakatra an-tanety ny voay iray tany amin’izany lalampire-nena izany.

Nahitana voay niakatra an-tanety tany Nanarena, distrikan’Ihosy faritra Ihorombe, 46km miala an’Ihosy. Teny amoron-dàlana no nahitan’ny olona azy ka dia variana ireo mpandalo nijery ity farany. Voay iray eo an-tampon-tanety, teo amoron-dalana no hitan’ireo mpandeha fiara.

Tsy fantatra na avy aiza na avy aiza ity voay ity fa dia samy liana naka sary aloha ny rehetra. Hoy ny be vazivazy hoe, tsy misy voay miala rano izany, fa mba nitanina andro fotsiny angamba ity voay tafakatra an-tanety ity!