EDITO 31 jolay – Saro-katsahina ny lala-mahitsy tokony hizoran’ny firenena

Sôh’son

Mifarana ity ny volana jolay, volana izay mbola isian’ny hirifirin’ny hatsiaka mamanala indrindra ny maraina sy ny hariva, ny toetr’andro koa mivadibadika be ihany. Tsy izay loatra kosa anefa ny zava-nisy eo amin’ny fiainam-pirenena fa misonga miakatra hatrany ny maripana eo amin’ny sehatra politika. Misy mandrirotra ihany koa amin’izay itiavany azy ny fahitana ny raharaha toy ny mahakasika ny filohan’ny Repoblika tato ho ato.

Aoka tsy sasàna ati-doha ny vahoaka amin’izay mampiasa saina ny olona eo amin’ny fitondrana sy ny mpanara-dia azy. Ny fiarovana ny filoha dia efa iaraha-mahalala sy mahita, fa mifanalavitra tanteraka amin’ny fiarovana ny vahoaka, ka toy ny mamendrofendro azy ihany izany, toy ny nataon’ny governora nidehaka tamin’ny volabe nolaniana taminy tamin’ny fitsaboana azy tany ivelany. Maneho miharihary ireny ny hantsana lehibe manelanelana ny vahoaka sy ny mpitondra. Ny ezaky sy ny finiavan’ny fitondrana amin’ny fanarenana izany aza tsy hita soritra mazava mandraka ankehitriny.

Misy ny andrasan’ny vahoaka mafy amin’ny fitondrana hatramin’ny naha teo amin’ny fitondrana azy tato anatin’ny roa taona sy tapany izao. Zavatra hafa no ihazakazahan’ny fitondrana, satria may amin’izay maha maika azy izy. Tsy izany anefa no laharam-pahamehana ho an’ny vahoaka. Ny an’ny vahoaka anefa tsotra sy mazava, vidim-piainana mihena ary ny fari-piainany mihatsara tsy mitsahatra. Ary io tsy ampahan’olona tsongantsongaina toy ny nataon’ny fitondrana tamin’ny fitsinjovana ara-tsosialy anaty krizy ara-pahasalamana ka misy tsy misitraka, fa ny daholobe tsy ankanavaka.

Fitondrana tsy mahatratra izay ilain’ny vahoaka izay, dia fitondrana tsy mahavita azy. Ka aoka ny mpisolelaka sy mpila ranondranony amin’izao fitondrana izao tsy hilaza fa hoe tena miasa ary hita soritra ny fanavotana ny firenena. Mpamita-bahoaka sy mpamahan-dalitra mihitsy ny sahy manao izany. Ny mpianatra raha nahazo naoty 03/20 teo aloha ka niakatra 04 na 05/20, dia mbola tsy mahay izany mpianatra izany ary mila ezaka be. Mamitaka izay sahy milaza fa efa mahay izany mpianatra izany.

Mbola lavitra ny asa fanarenana ny firenena ankehitriny, indrindra izy vao mainka miha-milentika lalina noho ny krizy nampidirana ny firenena, herintaona sy efa-bolana izao.
Raha mbola entina amin’ny làlana tsy misy mangaraharaha sy fanakonakonana ny marina ny firenena, dia tsy hisy zavatra hanjary. Ny firenena tsy miaina anaty fahamarinana dia firenena mandeha amin’ny làlana tandindonin-doza.