NY ANDRANANDRAN’I SOLA SY BOAIKELY

Andranandrana daholo ny an’i Sola sy Boaikely.
Tsisy zavatra manjary, tsisy zavatra “mamely”.
I Sola moa tsy mahagaga f’efa zatra “koposoroka”,
I Boaikely kosa indray dia ‘lay “sain-jaza mba maroroka”!

Nofinofy, revin-gadra no mihelina ao an-tsainy,
Dia indreny ry zareo manao ny zavatra tsy hainy!
Ka tsy mahagaga ny asany raha mamotaka daholo,
Toy ny fanirian-dry Sola ny ho mbola lava volo!

Izay manintonintona azy fony tany andafy tany,
No tereny haverina eto ka dia tsy mahomby hatrany.
Tsisy zavatra mirindra raha ny atao sy ny tenenina.
(Tavi-mofogasy ve dia mety hanaova-madalenina?)

Amin’izao “ny fitohanana”, henjana sy mahamay,
Saingy mbola tsy any ho any ny aloky ny “tramway”!
Ity ilay zotra hoe “kilasy” no nanaovana hoerahoera,
Hany ka mimenomenona ny ankamaroan’ireo saofera!

…Andranandrana daholo ny an’i Sola sy Boaikely.
Mba mpitondra saingy indrisy, tsy dia mendrika ho modely!
Be dia be no tena tofoka, tena boboka sy leo,
Ka sioka tokana no andrasana hanilihana an’ireo!

DADAN’i RIANA (28-07-21)