Fifamoivoizana Antanimena sy ny manodidina – Miseho ny kitoatoa sy tsy fahaizan’i Vazahabe sy ny ekipany

Niaina

Nanomboka nampiharina omaly ny zotram-pifamoivoizana vaovao teny Antanimena, Ankorondrano sy ny manodidina. Tsy nahomby izany fandaminana vaovao izany raha ny hita teny an-toerana, satria dia nitohana dia nitohana tanteraka ny fifamoivoizana, nanampy trotraka koa ny maha-andro alarobia ny omaly, tsenan’Andravoahangy.

Araka ny taraina sy ny fimenomenonan’ireo nampiasa izany lalana izany, tena manaonao foana, manao kitoatoa sy tsy mahay mihitsy ny ekipan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), tarihan’ny ben’ny tanàna Vazahabe, Naina Andriantsitohaina, hoy izy ireo. Nitohana tanteraka ny fifamoivoizana teny amin’ny faritra Ankadifotsy, Antanimena, Behoririka, Ankorondrano, Ankazomanga. Nipaka hatrany amin’ny Kolejy Rasalama ihany koa izany fitohanana goavana izany.

Raha ny hetahetan’ireo mpampiasa lalana teny an-toerana, tokony haverina amin’ny teo aloha ihany ny fandaminana ny fifamoivoizana amin’ireo faritra ireo, hoy izy ireo.