FILMA EFA NANDEHA

Horonantsary efa nandeha no tiana haverina indray,
Fa mitotongana tanteraka ny “tomban’ny mpitondranay”.
Indreo foronina ny angano sy ny lainga mifanolo,
Ho fanodinana ny sain’ny Malagasy manontolo!

Rehefa toa tsy dia nahomby ny an-dry baomba sy ny tariny,
Dia navoaka indray aloha ny tohin’ny horonantsariny.
Nosoloina an’i boaikely ny mpandray anjara fototra
Amin’ity kilaingalainga hita ho marivo tototra!

Dia nantsoina ireo akama, nisy fivoriana maika.
Asa aloha izay tena ventiny, mety ho fanovana paika,
Na koa mety ho fanerena iretsy sasany amin’ny tary,
Mba hisinda kely aloha fa tena matroka ny sary!

Manodidina an’izany, misy ny olona enjehina,
Sy efa tratry ny antsojay satria tadiavina hopotehina,
Ary asa izay ho tohiny fa dia miandry ny rehetra,
Inona no hiafaran’ity ilay filma voretra?

Tena tsy hay izay mbola hiseho fa be ny sary namboamboarina,
Saingy azo an-tsaina ihany ny amin’ny tiana hotratrarina.
Raha ny tanjona dia tsotra: ny hamerenana indray
Ireo ravadravaka natentina tamin’ny mpitondranay.

…Horonantsary “tefy maika” no namboarina haingankaingana
F’efa tena tsisy intsony vahaolana mivaingana.
Ireny sisa no aparitaka hanodinana ny sain’
Ireo vahoaka an-tapitrisa noana sady mitaraina!

TSIMIMALO (26-07-21)