Faha-90 taonan’ny RNM – Mafana ny toe-draharaha, tsy hita ny ministra Lalatiana

Niaina

Nitohy omaly tetsy Anosy ny fankalazana ny faha-90 taonan’ny RNM, na ny Radio Madagasikara. Tsy hita teny an-toerana ny ministra Lalatiana Rakotondrazafy Andriantongarivo, araka ny nambaran’ny mpanentana teny an-toerana nandritra ny fotoana omaly, voaantson’ny filoha Rajoelina ny tenany noho ny raharaha mafana eto amin’ny firenena, amin’ny filazana fa misy mikasa hamono hono Rajoelina.

Nandrasana ny ministry ny serasera ny maraina manontolo fa tsy nipoitra, nikorontana noho izany ny fandaharam-potoana naandritra ity fanamarihana ny faha-90 taonan’ny RNM ity. Mbola tsy nipoitra koa izy ny tolakandro. Tokony ho tolorana mari-boninahitra nandritra io fotoana io anefa ireo mpiasa nahavita be tao anivon’ity haino aman-jerim-pirenena ity, tsy tonga ny ministra, ka dia samy naka ny medaly mari-boninahiny ireo mpiasa, izany dia natolotry ny tompon’andraikitry ny mpiasa ao anivon’ny ministera.

Na teo aza ny fampisehoana lanonana an-tsehatra nafanain’ny mpanakanto maro anisan’ny manana ny lazany eto amintsika amin’izao fotoana, somary nangingina ihany ity fetin’ny Radio Madagasikara omaly ity, satria toa tsy noraharahian-dRamatoa ministra ireo mpiasa.

Io dia efa fitarainan’ny mpiasa hatramin’izay, tsy dia miraharaha ny mpiasa eo ambany fiadidiana loatra ny ministra Lalatiana Andriantogarivo sy ny ekipany. Na izany na tsy izany, tontosa ny fanamarihana ny faha-90 taonan’ny RNM omaly, izay ny radio sy ny ministera ihany no namaritra io daty io. Ny 29 aprily 2021 no tena feno 90 taona ity fampielezampeo zokiny indrindra eto amintsika ity.