Antananarivo Renivohitra – Tsy mbola misokatra ihany ny Zaimaika, miadam-pandeha Vazahabe

Ny Valosoa

Efa ho herintaona sy tapany izao no naha ben’ny tanàna an’Ingahy Vazahabe, satria ny volana Janoary 2020 izy no nandray ny fitantanana ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, ny volana Febroary 2020 no simban’ny andro ratsy ny Tsenan’i ” Zaimaika”, hatramin’izao anefa dia tsy mbola vita ny fanarenana io tsena io, izay iveloman’ny fianakaviana maro, fa dia lasa mpivarotra amorondalana ireo niasa sy nitady vola tao amin’io tsena io.

Vao nitranga ny fahasimbana dia nanambara ny mpitantana ny tanàna fa amboarina ny simba sady asiana fanavaozana ho tsaratsara kokoa ilay tsena, izay mandalo eny an-toerana anefa dia samy mahita fa tsy nisy ny fananganana trano rihana maromaro, ka mety ampahazo rariny ireo tompon’andraikitra, fa dia fanitarana tsy tokony hahataraiky ny fanorenana no natao.

Ny mahatsikaiky amin-dry Vazahabe koa dia ilay tsena eny Behoririka no nihazakazahana, kanefa dia nolazaina fa fananganana tsy ara-dalàna teo aloha ary ny Talen’ny Kabinetran’ny Matp mihitsy no tonga teny an-toerana nitondra ireny fitaovam-pandravana ireny, izao anefa dia mety hono ilay trano ka ny Cua no nanafaingana ny fanamboarana ilay fotodrafitrasa, f’ilay“Zaimaika “ tsy vita hatramin’izao. Ny tena marina dia tsy miasa saina amin’ny fiveloman’ny olona Ingahy Mera Vazahabe, ny nandrodana tsena maro teny Soarano sy Analakely no nahamendy azy, ka izay narodan’ny orana sy ny rivotra angamba dia vao mainka mety aminy, tsy ilaina fanamboarana maika.

Raha izao hafainganampandehan’Ingahy Mera Vazahabe izao no refesina dia tokony hovaina ny anaran’ilay tsena, tsy atao hoe “Zaimaika“ intsony fa antsoina hoe “Zay Miadampandeha“.