RY TIA LALAM-POZA !

Hajao ary araho ny lalàm-panorenana
F’aza mizotra amin’ny lalana tsy izy,
Ka hihady ny fasana izay hilevenana
Ianao be kirina sy be ambozizy.

Ny teny voasoratra re aza ovàna
Fa mampalahelo ny tahaka izany.
Aza dia amboamboarina koa ny lalàna
Mba ho amin’izay mety aminareo ihany.

Hajao ary araho ny lalàm-panorenana
F’io no nekena sy lanim-bahoaka.
Tandremo, tandremo fa sao anenenana
Ity mody miditra, avy eo dia mivoaka!

Rehefa tsy hanaja ny efa nekena,
Rehefa tsy hanaraka ny tondrozotra,
Dia aleo re mipetraka manaja tena
F’izay no hany lala-mahitsy sy tsotra.

Avelao, aok’izay ny fandrebirebena.
(Aza tia lalam-poza fa manorisory !)
Raha mbola hitondra an’ity firenena
Dia ‘ndeha lala-marina hatrany no izory!

IRINA HO TAFITA (16-07-21