Marc Ravalomanana – Marary loatra ny tontolon’ny fampianarana

Mampanahy ny hoavin’ny zaza Malagasy sy ny tanora Malagasy, indrindra ny firenena. Miroso amin’ny famotehana ny fampianarana sy ny fanabeazana ny fitondrana ankehitriny.

Marina ny voalazan’ny oha-pitenena fa “rehefa tiana ho potehina ny firenena iray dia ny fanabeazana sy ny fampiarana no simbaina voalohany“. Tetika maloto entin’ireo mpamadika tanindrazana izany.

Tsy nahagaga rahatoa ka nimasoan’ny filoha Marc Ravalomanana ny tontolon’ny fampianarana sy ny fanabeazana teto Madagasikara nandritra ny fotoam-pitondrany.

Ny taona 2007 dia tafakatra 8 miliara ariary ny tetibola ho an’ny “kits scolaires”. Nianatra avokoa ny 90%-n’ny zanaka Malagasy. Saingy taorian’ny fanaonganam-panjakana ny taona 2009 dia nitotongana izaitsizy ny tahan’ny fidirana an-tsekoly sy ny mari-pahizan’ny zaza Malagasy.

Vaovao MBS 13 Jolay 2021, nangonin’i Lanzelo