Marc Ravalomanana, filohan’ny mpanohitra – Ho avy ny fikaonandoha nasionaly manoloana tsy fetezan-draharaha eto amin’ny firenena

Ho avy ny fikaonandoha nasionaly ho tanterahin’ny mpanohitra manerana an’i Madagasikara, manoloana ny tsy fetezan-draharaha eto amin’ny firenena.

Nifampiantso tamin’ireo namana sy mpitolona any amin’ny faritra ny filohan’ny mpanohitra, Marc Ravalomanana.

Ho atao, hoy izy izay ampahafantarana ny olon-drehetra ary atao izay hanazavana amin’ny olon-drehetra amin’ny antsipiriany fa ao anaty krizy maro sosona isika eto Madagasikara, ary tsy hijery fotsiny ny tsy fanajan’ireo tomponandraikitra ny lalàna velona sy lalàna fototra misy eto amin’ny firenena.

Handray anjara amin’izany: ireo antoko politika rehetra manerana an’i Madagasikara, ny RMDM, ny sendika, ireo mpanao gazety, ireo vondron’olona tsy manaiky ny fitantanana ny firenena amin’izao fotoana izao, ny firaisamonimpirenena ary ny olompirenena izay tsy mitovy hevitra izay mahatsapa fa voahitsakitsaka ny zo aman-kasiny.

Ny fomba hanatanterahana izany dia ho atao matipaika tsara. Hisy ny fivoriambe hitambarambe, hisy ny fotoana hahafahana midinika manokana. Hisy ny fananganana vaomiera isan-karazany:
– politika, izay handinika manokana momba ny tsy fisian’ny demokrasia, ny didy jadona ary ny fanaovana ramatahora (intimidation), ny tsy fanajana ny falalahana fototra, falalahana maneho hevitra, falalahana manao fivoriana ankalamanjana, falalahan’ny mpanao gazety
– sosialy sy ara-teokarena, handinika momba ny fahantrana lalina mianjady amin’ny vahoaka, ny fiakaran’ny vidin’entana, ny kere any Atsimo sy ny fampiarana ary ny tsy fahampiana ara-tsakafo, ny momba ny JIRAMA manokana, ny tsy fisian’ny asa
– fitantanana ny raharaham-panjakana, handinika momba ny fisaraham-pahefana eo amin’ny mpanatanteraka, ny mpanao lalàna ary ny mpitsara izay tsy voahaja araka ny Lalampanorenana, ny tsy fisian’ny firenena tsara tantana, ny tsy fijerena ny laharampahamehan’ny vahoaka, miaraka amin’ny antokom-pinoana toy ny FFKM sy ireo mpandinika ny feom-bahoaka
– fitsràna, handinika momba ny fanitsakitsahana ny Lalampanorenana, ny lalana mifehy ny fanoherana sy antoko mpanohitra, ny fitsaràna tsy mahaleo tena
– fandriampahalemana, handinika momba ny tena ataon’ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao, ny andraikitr’izay ireo, ny fandriampahalemana eny ambanivohitra sy andrenivohitra, ny fandrindrana ny fitaovana entina miasa sy ny vola entimanana.

Vaovao MBS 13 Jolay 2021, nangonin’i Lanzelo