EDITO 8 jolay – Mbola miendrika fanarian-dia ihany ny zava-misy ankehitriny

Sôh’son

Miendrika fanarian-dia ve ny zava-misy ankehitriny, sa fisehoana fotsiny ihany mba hametrahana fa eo amin’ny fitanana andraikitra hatrany? Tsikaritra izany amin’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta sasantsasany na ny ankamaroany.

Iaraha-mahalala ny toe-javamisy mifamahofaho amin’izao fotoana izao, izay avy amin’ny fitondrana ihany no rangory fototry ny afo amin’izany. Eo aloha ny resaka tsy fitoviam-pijery mandrakariva amin’ity resaka vaksiny ity, izay lasa resabe tato ho ato. Ny iray lehibe manaraka izany, dia ny momba ny lalàna na ny satan’ny mpanohitra izay toa nanaovana kajikajy politika be ihany nikendrena tanjona hafahafa ho an’ny mpandalina raha ny fahitana azy. Hahavariana ihany ny toe-draharaha raha mpanohitra no tsy hiteny sy hitabataba amin’ireny fanapahan-kevitra ireny. Hampiditra làlana kizokizo ny firenena mantsy io fanapahan-kevitra io. Mila mijery lavitra, fa tsy manao fohy fijery toy ny nifidianana lalampanorenana tamin’ny taona 2010. Aty aoriana vao mizaka ny vokany ary mampikorontana ny olom-pirenena sy ny firenena mihitsy eo amin’ny sehatra politika.

Etsy ankilan’izay mila mijery lavitra na mamakafaka lalina ihany koa ny mpanohitra ny amin’izay lalana izorana, fa fanakendana ny làlany no hita taratra, mba hahafahana mijanona eo amin’ny fitondrana maharitra. Efa tsikaritra izany, hoan’ny mpandinika, tamin’ny fihetsiky ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana, ankoatra ireo parlementera mpanao lalàna roa. Ny eny Anosikely izany efa hita mazava, fa tsy misy antenain’ny mpanohitra na ny vahoaka saropiaro amin’ny fitantanana ity firenena ity raha tsy mizotra amin’ny tokony ho izy.

Raha bangoina, sarotra ho an’ny vahoaka ny hanantena zavatra be amin’izao fitondrana izao. Tsy hisy fiainany hiova izany eto raha ny mbola fiasany hatramin’izay sy ny mbola tohizany hatramin’izao no jerena. Raha mihaino azy ireo dia toy ny hoe rahampitso dia hiova ny fiainan’ny Malagasy. Sarotra anefa ny hino ny fampanantenana samihafa isan’andro izao. Ny delestazy aza ity tsy afaka efa ho roa taona sy tapany nitondrany. Nidehaka ery anefa tany am-piandohana handray fitondrana, fa hoe hitondra zava-baovao amin’izany sy hahavaha io olana io ao anaty fotoana fohy, satria nambarany fa voafehiny io. Tsy izany no zava-misy iaraha-mahita sy iainana ankehitriny.