Fitondrana Rajoelina – Saika misy olana tsy voavahany avokoa ny sehatra rehetra

Sôh’son

Niaraha-nahita sy nandre tsara ny fihetsika sy indrindra ny fiteny nandritra ny fihaonan’ireo minisitra tamin’ireo solombavam-bahoaka nanontany azy ireo. Tsikaritra ny teny an’avona na ny fanampempoana mihitsy be fotsiny izao.

Ho an’ny olom-pirenena tsotra maro, dia manosika azy hihataka bebe kokoa amin’ny fitondrana ny fahitana an’izany, indrindra ho an’ireo olona na mponina nihàran’ny antsojay teo anivon’ny fiaraha-monina misy azy. Ho azy ireo dia tsy natao hiaro azy izao fitondrana izao, fa manome vahana ny mpanefoefo sy manam-bola teratany na vahiny eto amin’ity firenena ity. Iray resahina amin’izany ny fifanasana vangy teo amin’ny minisitry ny fitsarana sy ny solombavambahoaka momba ny resaka ady tany.

Raha tena avy amin’ny vahoaka marina no henoin’ny fitsarana izay izy vao mamoaka didy, dia tsy tokony hisy vahoaka hitomany izany fa lasan’olona ny tany onenany sy anaovany fihariana. Raha mijery ny tombontsoam-bahoaka marina izao fitondrana ankehitriny izao, dia ny mahasoa ilay vahoaka aloha no voalohany, satria izy eto amin’ny taniny izay lovany avy amin’ny razambeny ity Nosy ity, ka rariny sy hitsiny raha izy no tsinjovina voalohany. Sadasada manan-tsoratra ny zava-misy eo amin’ity firenena ity eo amin’izay resaka fitompoana tany izay ho an’ny vahoaka Malagasy, ary zary miantehitra amin’ny hazo boboka ihany izy eo anatrehan’izany.

Mahavariana mihitsy ity fitondrana Rajoelina ity. Miseho izy ho mahatsapa ny fahoriam-bahoaka, kanefa ny fomba fiasany tsy mahatsinjo ilay vahoaka Malagasy manontolo. Niseho ho babany izy ary tena miasa kanefa toy ny langilangy zozoro ihany eo anoloan’ny zava-misy amin’ny vahaolana entiny hamahana ny manjo ny vahoaka. Misarika ny saina ny tenin’ny mpamakafaka iray hoe: inona ihany ny sehatra tsy misy olana iandreketan’ny fitondrana, fa saika ahitana izany avokoa ny sehatra maro toy ny fampianarana, ny fitsaboana, ny sakafo hohanin’ny Malagasy, ny asa, ny fivelomana, ny trano fonenana, ny tsy fandriampahalemana, ny fitaterana, sns… Aoka tsy ho bevava raha iray dia monja no vitanao kanefa tsy takamaso ny dia mila hotratrarina. Tsy mifanaraka amin’izany koa anefa ny volabe anakaramana azy ireo.

Tokony hahatsiaro tena, fa lavitra ny vahoaka izao fitondrana izao, ary mitombo isan’andro ny hantsana mampisaraka, raha ny fifanatrehan’ny minisitra tamin’ny solombavambahoaka ireny. Tsy hita izay ezaka sy finiavana mba hampihenana io hantsana io. Ny tsy fantatra dia mety tsy olana ho azy ireo izany toe-javamisy izany, fa izy aloha no eo araka ny ambarany… Na ireo depiote mpiara-dia amin’ny fitondrana aza, nandritra ireny fifanatrehana mivantana teo amin’ny governemanta sy ny Antenimierampirenena ireny dia namango ireo ministra tsy mahomby eo amin’ny asany, na nisy ihany aza aloha ny fanasohasohana nataon’izy ireo, fa eo nopehany ihany, araka ny fitenin-jatovo izay.