EDITO 6 jolay – Sekoly tsy miankina – Mahazo aina fa tsy tapaka ny handraisam-bola isam-bolana

Radafy

Mety amin’ireo tomponandraikitry ny sekoly tsy miankina ny tetiandro taom-pianarana 2021-2022 naroson’ny fanjakana. Amin’izy ireo mantsy ny vola miditra avy amin’ny saram-pianarana aloan’ny ray aman-dreny sy ny saram-pisoratana anarana rehefa tsy misy fiatoany dia milamina sy mety aminy.

Rehefa jerena ny zava-misy, mbola mandoa saram-pianarana ny ray aman-dreny amin’ity volana jolay ity, satria amin’ny faran’ny volana vao mifarana ny fampianarana ataony. Avy eo indray miatrika ny saram-pisoratana anarana sy mandoa izany, miaraka amin’izay ny pitsompitsony takian’ireo sekoly ireo ny ray aman-dreny ny volana aogositra. Anisan’izany, ohatra, ny fanamiana (tenue) iraisana tsy maintsy vidiana. Miditra avy hatrany indray amin’ny fiatrehana ny taom-pianarana vaovao indray aorian’izany ny ray aman-dreny, ka mandoa ny saram-pianarana volana septambra. Tsy misy tany iainan’ny ray aman-dreny fa tsy maintsy mamatsy vola ny sekoly ianaran-janany. Hitohy tsy hisy fitsaharany hatrany amin’ny volana jona amin’ny taona 2022 izany.

Fahasahiranana ho an’ireo ray aman-dreny mampiana-janaka io, fa mety amin’ireo tomponandraikitry ny sekoly tsy miankina. Ireo izay mihevitra ho fitadiavam-bola ny sekoly fa tsy ho amin’ny fanabeazana ny zaza Malagasy sy fanondrotana azy ireo, dia tena milamina ny fiainan-tsekoly amin’ity.
Nanome toky ireo tomponandraikitry ny sekoly tsy miankina ireo, na ny an’ny fanjakana ihany koa, tamin’ny fiandohan’ny taom-pianarana madiva hifarana ity, fa hiezaka izy ireo hanarina ny lentam-pahaizan’ny mpianatra izay voatohintohina vokatry ny fahatapahan’ny fianarana tamin’ny taon-dasa. Iza amin’ireo sekoly ireo àry no sahy hijoro, fa tratran’izy ireo ny tanjona amin’izany, ary feno ny banga tamin’ny fahaizan’ny mpianatra?

Hatreto aloha ny zava-misy sy heno dia sahirana ireo mpianatra, ary misy fihenan-danja ny fahaizany, raha raisina amin’ny trangan’ireo mpianatra madinika hiatrika ny fanadinam-panjakana Cepe amin’ity andro talata ity. Mirary soa ireo mpianatra ihany na dia izany aza ho tafita amin’izany.