Antoko TIM 19 taona – Tombontsoan’ny vahoaka sy ny firenena hatrany no katsahany

Isambilo

3 jolay 2002 – 3 jolay 2021, nankalazaina ny sabotsy 3 jolay lasa teo ny faha-19 taona ny antoko najoron’ny filoha Marc Ravalomanana dia ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM). Antoko mpanohitra mivondrona ao amin’ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara, na ny RMDM amin’izao fotoana, mandala ny foto-kevitra demokraty kristiana. Ny faran’ny herinandro teo io, nankalaza izay faha-19 taonany izay ny antoko Tim. Tamin’ ny fomba tsotra sy mendrika no nanamarihana izany, notarihan’ny filoha nasionaly Marc Ravalomanana, niaraka tamin’ ireo Olomboafidy, ny Birao Politika sy ireo mpiara-miasa. Mijoro hatrany ny antoko ho fikatsahana ny mahasoa ny vahoaka sy ny firenena.

Noho izay tsingerin-taona izay, nisy ny fanambarana nataon’ny filoha Ravalomanana:” misaotra an’ Andriamanitra lehibe isika fa tontosa soa amantsara androany ny fankalazàna sy fisaorana an’Andriamanitra noho ny nahatratrarana ny faha-19 taonan’ny antoko TIAKO i MADAGASIKARA. Ny Antoko TIAKO i MADAGASIKARA DIA TSY HIJANONA HATREO AKORY, ARY EFA MANANA NY TRAIKEFA REHETRA HO ENTINA AMIN’NY FAMPANDROSOANA AN’i MADAGASIKARA. Mankahery ireo mpikatroka sy mpiray antoko rehetra ny tenako. Samia ho tahian’Andriamanitra ».

Raha antoko tokana no resahana fa tsy vondrona antoko, ny antoko TIM no lehibe indrindra eto amin’ny firenena amin’izao fotoana, faharoa ny TIM tamin’ny alalan’ny filoha Ravalomanana tamin’ny fifidianana filohampirenena farany teo, niaraha-nahalala ny hosoka tamin’izany fifidianana izany, mba tsy hilaza hoe : voalohany ny TIM tamin’iny fifidianana filohampirenena iny. Manana olom-boafidy maro manakaiky vahoaka koa izy: depiote miisa 15, be indrindra eny Tsimbazaza, ben’ny tanàna maro miparitaka manerana ny Nosy, mpanolotsainan’ny kaominina maro. Noho izany, antoko mbola vonona haka fahefana hatrany ity antoko ity, na ho ela na ho haingana.