Tsy manao ny asany tsara ny Dinabe – Manao ny ataony ireo dahalo any Morombe

Stefa

Manao ny ataony amin’izao fotoana izao ny dahalo any amin’ny distrikan’i Morombe faritra Atsimo Andrefana, satria araka ny fitarainana voaray avy amin’ny mponina any an-toerana, tsy manao ny asany tsara araka ny tokony ho izy ireo ao amin’ny Dinabe any amin’iny faritra iny. Zazalahy iray no namoy ny ainy vokatry ny tifitra nataon’ny jiolahy azy, ny harivan’ny 26 jona lasa teo, tao amin’ny Kaominina Befandriana Sud, distrikan’i Morombe. Resaka “Radio carte” teny an-tànan’ilay zazalahy no antony nitifitan’ireo jiolahy azy, raha ny vaovao voaray.

Andro vitsy lasa ihany koa izay no nisy Kamiao nosakanan’ny dahalo teo anelanelan’ny kaominina ambanivohitra Ankatsakantsa Atsimo sy Befandriana Atsimo, tokony ho tamin’ny 05 ora hariva.

Teo koa ny mikasika ilay lehilahy mpamboly tongolo avy ao amin’ny Kaominina Tanimeva, niandry ny voliny teny an-tanimboly no notifirin’ny dahalo, ny herinandro lasa teo.
Mitaraina ireo mponina ao amin’ny distrikan’i Morombe, fa misy amin’ireo Dinabe, izay natao hiaro ny vahoaka no tsy manao ny asany araka ny tokony ho izy, kanefa mitaky vola amin’ny fiaraha-monina hatrany.

Tsy mitsahatra ny manao antso avo amin’ny Fanjakana foibe ireo mponina any an-toerana, izay miaina anaty tebiteby ny mba hijerena akaiky azy ireo, noho ny resaka tsy fandriampahalemana, izay tena manjaka tokoa ankehitriny, toy ny halatra omby, vono olona, fanakanana fiara.