Rodin, depioten’Ambanivohitra – Vola tsy fantam-piaviana no ampiasain’ireo governora

Niaina

Nanambara ny depiote Rakotomanjato Rodin, depiote avy amin’ny antoko TIM voafidy tany Arivonimamo, antsoina ihany koa hoe: depioten’Ambanivohitra, fa tsy fanta-piaviana ny vola ampiasain’ireo governor amin’izao fotoana.

“Nametraka fanontaniana aho tamin’ireo tale jeneralina ministera samihafa fa tsy ao anaty tetibolam-panjakana ny vola ampiasain’ny Governora”, hoy ny depiote Rodin. Namaly koa ireo tale jeneraly araka ny nambarany ihany, fa na izy ireo ary tsy mahalala ny vola ampiasain’ny governora.

Vola avy aiza ary no ampiasan’izy ireo, nefa dia miliara maro? Tsy misy fanaraha-maso ilay vola ampiasainy fa manao izay tiany ny governora, mpandidy dia manapaka. Sao kosa famotsiam-bola noho izany ny vola ampiasain’izy ireo araka ny ahiahin’ny mpandinika politika eto amintsika.

Momba izay resaka governora izay, marihina fa mbola tsy voatendry hatramin’izao ny governora faha-22 dia ny governoran’ny faritra Betsiboka.