Mpiasan’ny Paositra – Mitokona, mitaky ny fialan’ny ministra

Isambilo

Omaly alarobia 30 jona 2021 vao maraina dia tazana teny Antaninarenina ny sorabaventy, izay nataon’ny mpiasan’ny Paositra Malagasy. Izy ireo izay mitokona ka mitaky ny fialan’ny minisitra, Ramaherijaona Andriamanohisoa.

Nambaran’ireo mpiasa ireo fa tsy manaiky ny tsy fahaiza-mitantana. Ny fanovana ny « sata » ho jadona mifehy azy ireo. Tsy manaiky amin’ny fampandoavana vola amin’ny tetikasa tsy mampidibola ho an’ny Paositra. Nilaza ireo mpiasa fa manana sata manokana ny paositra izay voafaritra ao anatin’ny «loi 93 001», ka tsy tokony hisy lalàna hafa tokony hampiharina.

Antsoantso nataon’ireo mpiasa nandritra ny grevy nataony ny hoe: «Non » amin’ny tsy fahaiza-mitantana, « Non » amin’ny fanovana ny « sata » ho jadona, « Non » amin’ny fampandoavana vola amin’ny tetikasa tsy mampidibola ho an’ny Paositra.