Jimmy Randriantsoa – Olona miisa 1522 no vita vaksinin’ny covishield, navitrika Alasora

Aly

Tafaresaka tamin’ny ben’ny tanànan’Alasora Avaradrano, Jimmy Randriantsoa, ny gazety Ny Valosoa Vaovao mahakasika ny ady amin’ny valanaretina coronavirus, sy ny asa sosialy ataon’ny kaominina ho an’ny mponina ao aminy. Dinidinika:

-Gazety Ny Valosoa Vaovao (GNVV): nanao ahoana sy manao ahoana ny ady amin’ny valanaretina coronavirus ato amin’ny kaominina Alasora?
-Jimmy Randriantsoa (JR): nandritra ireny fihibohana ireny ny kaominina Alasora dia nandray anjara mavitrika araka ny fepetra izay napetraky ny fanjakana, dia nanokana tetibola manokana mihitsy izahay amin’ny fampiharana sy ny fampanajana ny fepetra ara-pahasalamana ary tsy nandry andro tsy nandry alina ny teto amin’ ny kaominina Alasora, ny Polisy Kaominaly, tamin’ny fampanajana ireo fepetra ireo: ny famendrahana ranom-panafody ireo tsena maro samihafa eto amin’ny kaominina, ny fampanajana ny fihibohana tanteraka. Teo ihany koa mazava ho azy ny fanampiana ireo mpitandro filaminana izay nalefan’ny fitondrana tety Alasora nanao ny tantsoroka izany, ny fampisakafoanana an’izy ireo isaky ny faran’ny herinandro, izay efa nisy 200 tany ho any izy ireo. Izany rehetra izany no ezaka nataon’ny kaominina ary teo ihany koa ny firesahana tamin-dry zareo tao amin’ny CSBII mba hivoha 24/24h, eny fa na dia somary nananosarotra aza ny famatsiana ny fanafody dia niezaka foana izahay nanakaiky ny vahoaka tamin’ny fanamaivanana ny vokatr’izay fihibohana sy ny hamehana ara-pahasalamana izay.

-GNVV: nanao ahoana kosa ny fanaovam-baksinin’ny coronavirus: covishield, tato amin’ny kaominina?
-JR: tamin’ny voalohany Alasora dia nandeha nankeny Ambohimanambola no tokony hanao vaksiny, satria izay no fandaminana tao amin’ny ministeran’ny fahasalamana, fa rehefa natao ny fifampiresahana, satria nisy ny fahavitrihan’ny olona hatao vaksiny tety amin’ny kaominina Alasora, nisy 170 tamin’ny andro voalohany dia lasa natao foibe fanaovam-baksiny Alasora ary teo dia tsy tapaka olona, 80 isan’andro teo fara-fahakeliny no nanao vaksiny ary izahay teto amin’ny kaominina dia nanentana ny olona tamin’izay ho fanaovam-baksiny izay. Nifampiresaka izahay tamin’ireo tompona orinasa izay ato amin’ny kaominina Alasora, mba hampanatona ny mpiasan’izy ireo hanao vaksiny taty amin’ny foibe fanaovam-baksiny, satria io irery ihany no anisan’ny fomba mahomby iadiana amin’ity valanaretina ity. Hatreto raha ny olona voaisa nanao vaksiny taty Alasora dia 1522, nandritra iny fotoana nanatanterahana izany hetsika izany iny ary araraotiko eto ny fisaorana ireo rehetra nikarakara ka nahatomombana izany.

-GNVV: izay ny lafiny fahasalamana, fa nanao ahoana ny ezaka teo amin’ny lafiny fanabeazana?
-JR: ny kaominina Alasora dia mametraka laharam-pahamehana ihany koa amin’ny resaka fanabeazana, mikendry hatrany hoe: amin’ny fomba ahoana no hahafahana mampianatra aloha voalohany indrindra ny zana-bahoaka ary manatsara ihany koa ny vokatra amin’ny fanadinana ara-panjakana. Raha eto Alasora isika no hiresaka EPP, fokontany 20 no misy ato, nefa ny EPP misy dia 11 ihany. Manomboka izany izahay io manamboatra EPP. Ny EPP Amboaroy moa izany miandry ny fisokafana amin’izao fotoana ary efa eo am-pikarakarana ny kaominina sy ny Cisco Avaradrano ny amin’ny fahazoan-dalana hisokafany, na autorisation d’ouverture, izay tokony hisokatra izany amin’izao taom-pianarana manaraka 2021 – 2022 ho avy izao. Hisy mpianatra miisa 300 eo ho afaka ho raisina. Io EPP io izany ho afaka mandray 600 raha zaraina 2 maraina sy hariva ny mpianatra. Ankoatr’izay, miketrika izahay ny fanitarana ny Lycée Alasora, miketrika koa izahay ny fanatsarana ny EPP Alasora, izay efa atao hoe an-jato taonany no niorina, nefa mampalahelo ny fotodrafitrasa misy, izay akaikin’ny renivohitra nefa tsizarizary izany foto-drafitrasa izany dia izany koa no anisan’ny ifantohan’ny ezaky ny kaominina amin’izao fotoana. Mitsinjo izahay rahampitso sy rahafakampitso ny hanamboatra EPP ho an’ny fokontany Ankadindratombo, Est Mahazoarivo, Sud Ambohipo, ireny izao tsy misy EPP nefa fokontany be mponina indrindra ato amin’ny kaominina. Izany sy izany mbola ezaka iompanan’ny hataon’ny fiadidiana ny tanàna ho fampandrosoana ny kaominina sy ny mponina ao aminy.

-GNVV: nanao ahoana kosa ny akon’ny fankalazana ny fetim-pirenena, sy ny asa sosialy nataon’ny kaominina tamin’izany?
-JR: nalehelo aloha ny mponina fa tsy nisy fety, tany an-drenivohitra no nisy fety nefa eto aminay isaky ny 26 jona dia mifety ny mponin’Alasora. Iny no anisan’ny mba hifankahitan’ny tia sy ny manina amin’ity tanàna ity. Nefa tsy nisy ilay izy satria izahay dia manaraka foana ny toromarika avy amin’ny fitondrana momba ny hamehana ara-pahasalamana. Na izany na tsy izany dia niezaka toy ny fanao isan-taona ny kaominina nahatsiaro ireo zokiolona 70 no ho mihoatra, nisy 1000 teo ho eo izy ireo, nitety fokontany izahay nizara izay voatsirambin’ny tanana, izany hoe: solom-bodiakoho ho an’ireo zokiolona ireo. Dia teo ihany koa ny vadin’ny ben’ny tanàna sy ireo vehivavy mahatsiaro ho manana adidy sy andraikitra nanatontosa asa sosialy teny amin’ny fokontanin’i Mahitsy, izany hoe nanome fanomezana ho an’ireo ray aman-dreny sy ireo mpianatra rehetra tao amin’izany EPP Mahitsy izany dia nanome izy ireo ny filana andavanandro, ny akanjo ihany koa, niaraka tamin’ireo fikambanana izay efa mpiara-miasa amin’ny vadin’ny ben’ny tanàna. Farany, nalahelo ny mponin’Alasora tamin’ny tsy nisian’ny afomanga, eto aho dia mampanantena fa hataontsika avo 3 heny izany amin’ny taona ho avy.