EDITO 3 jolay – Fitondrana Rajoelina – Tsy mivaky loha amin’ny olan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra

Vao nivoaka tamin’ity herinandro ity ny tetiandron’ny taom-pianarana 2021-2022, dia taitra ny ankamaroan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra, indrindra ireo mampiana-janaka any amin’ny sekoly tsy miankina. Nofaritan’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena hanomboka ny 01 Septambra 2021 ny taom-pianarana vaovao. Maro amin’ireo sekoly tsy miankina anefa no nametraka ho faran’ny volana jolay vao mifarana ny fampianarana sy ity taom-pianarana 2020-2021 ity. Toe-javatra maromaro no aterak’izany.

Eo aloha ny fotoam-pialantsasatra lehibe izay tsy hisy afa-tsy iray volana ihany ho an’ny mpianatra. Ary ireo mpiadina hanàla ny fanadinana bakalôrea aza, dia zara raha hisy andro vitsy tsy ianarana indrindra ho an’ireo tsy afa-panadinana. Tsy olan’ny fitondrana anefa izany ary tsy miasa saina ny amin’izany izy.

Etsy ankilan’izay, ny ray aman-dreny manana olana maromaro izay mifototra amin’ny vola izy rehetra. Ny voalohany amin’izany ny fandoavana saram-pianarana. Efa ho 10 volana no nandoa izany izy ireo tamin’izao taom-pianarana nohalavaina hatramin’ity volana ity izao. Vao afaka izany dia hiomana amin’ny vola tsy maintsy aloa ho amin’ny taom-pianarana vaovao, toy ny saram-pisoratana anarana sy saram-pianarana. Manampy trotraka ihany koa ny fividianana ny fitaovam-pianarana takian’ny sekoly, izay tsy maintsy hiaka-bidy indray ireo toy ny isan-taona. Tsy maintsy hisy izay fiakaram-bidy izay ary miankina amin’ny fisondrotry ny vidin-tsolika, izay efa resaka natsidika, fa mety hiaka-bidy ato ho ato, ny ho fidangan’izany fitaovam-pianarana izany.

Tsy misy tany iainana sy hakàna bahana araka izany ny ray aman-dreny amin’ny fampianarana ny zanany. Hisy fiantraikany mafy amin’ny fivelomany sy ny kitapom-bolany izany rehetra izany. Hanam-pahasahiranana mafy araka izany izy ireo hampiditra ny zanany hianatra ho amin’ny taom-pianarana vaovao manomboka izao. Tsy hatao hahagaga raha hisy ny mpianatra hafindran’ny ray aman-dreniny sekoly any amin’izay misy saram-pianarana zakany kokoa, na rehefa tsy afaka mihitsy izy dia halefany any amin’ny sekolim-panjakana ny zanany. Any indray koa anefa mbola baraingo satria misy hatrany ny vola tsy maintsy haloan’ny ray aman-dreny, fa tsy misy ny maimaimpoana. Izany hoe na hihodin-kavia na hihodin-kavanana ny ray aman-dreny, tsy afaka, fa tsy maintsy lany vola hatrany. Ny fahasahiranany izany tsy ho maivana velively. Mety hisy hatrany amin’ny tsy fampidirana an-tsekoly ny zanaka mihitsy aza izany toe-javatra izany.

Iaraha-mahalala tsara ny fahasahiranana sy ny fahantrana lalina manjo ny vahoaka amin’izao fotoana izao. Izany rehetra izany anefa tsy olan’ny fitondrana sy ny sekoly no tsy hamakiany loha ihany koa. Ny sekoly tsy miankina dia efa ambara matetika fa ny vola ny azy no voalohany vao ny fampianarana. Niharihary tsara izany na tamin’ny taon-dasa tsy nisian’ny fampianarana kanefa mbola tsy nasiana antra fa notakiana hatrany ny saram-pianarana feno; ary mbola niseho izany tamin’ireo volana roa tsy nianaran’ny mpianatra teo, fa tsy feno ny saram-pianarana. Ny fitondrana ihany koa tsy mivaky loha amin’izany, no sady tsy manana vahaolana momba izany rahateo.