EDITO 1 jolay – Politikam-pitantanan’ny fitondrana – Tsy mena-mivadika toy ny andro ririnina

Sôh’son

Misasaka sahady ny taona 2021, miditra sahady amin’ny volana fahafito amin’izao taona diavina izao isika. Volana mbola ao anaty vanim-potoanan’ny ririnina anjakan’ny hatsiaka izay mbola mamirifiry na ny maraina na ny hariva na dia misy hafanana ihany aza ny misandratr’andro sy atoandro. Fotoana izany anjakan’ny fivadibadiky ny andro, ka mby amin’ilay fitenenana malagasy hoe « Tsy mena-mivadika toy ny andro ririnina ». Dia toy izany koa no hita taratra eo amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena ankehitriny.

Miseho lany ny fivadibadihana amin’ny teny natao ao anatin’izao fitondrana izao. Porofo iray lehibe amin’izany, ny fandaniana ny lalàna teo anivon’ny antenimiera roa tonta ary neken’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana ny mikasika ny satan’ny mpanohitra sy ny toerany eo anivon’ny antenimieram-pirenena. Nabaribarin’ny mpanohitra sy ny mpahay lalàna, fa fanosihosena tsotra izao ny Lalampanorenana izay nanaovana fianianana imasom-bahoaka, fa hohajaina tahaka ny anakandriamaso. Teo ihany koa ny teny nambara nidedahana nandritry ny fifanatrehan’izy kandidà roa farany hiditra tamin’ny fihodinana faharoa tamin’ny fifidianana filoham-pirenena. Niniana nikimpian’ireo solombavambahoaka maro an’isa sy lazaina ho loholona izany ary hatrany amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana. Nivadika amin’ny teny nambara sy ny voarakitra an-tsoratra.

Izany ve no ho fitsipi-dalao sy lesona ampianarin’ireo olona eo amin’ny fitondrana mitana ny fahefana amin’izao fotoana izao, ho an’ny olom-pirenena sy ny vahoaka Malagasy eto amin’ity firenena ity? Izany indray ve no hitaizana ny zanaka Malagasy eto manomboka izao?

Ho leson-dratsy indray koa izany, hanampy ny efa nitranga tamin’ny taona 2009-2010 teto, hitaizana ny vahoaka. Ny voarakitra an-tsoratra sy saropady nifanarahana izao, sy ny teny nambara ampandaniana ny tena amin’ny fifidianana no ialàna fotsiny tsotra izao amin’ny alalan’ny paipaik’ady politika tsy voadinika lalina. Efa tsy nahasoa ny firenena ny zavatra natao tao anaty tetezamita amin’ity resaka lalàna ikendrena olon-tokana ity. Niteraka olana ho an’ny firenena izany taty aoriana, dia izao mbola tohizana izao ihany io fomba tsy mahomby io.

Tsy nahataitra ny mpanara-baovao loatra ny amin’izay fanapahan-kevitry avoakan’ny Hcc, vantany vao nisy ny fanendrena ireo olona samihafa ho mpikambana ao anatiny. Efa voaresaka tamin’izany fa ny olona fotsiny no nisolo fa ny zava-misy volan-kankafotra. Mby ihany koa amin’ilay fitenenana momba ny maloton’omby na avadibadika eo tsy miova. Dia efa manomboka io sahady ve izany ny porofo manambara izany, izay io no asa nataony voalohany? Raha izay tokoa, tsy ho afaka amin’ny lalan-dratsy feno kitoantoana noterena hodiaviny ity firenena ity.