Arlette R. sy Me Olala – Ravao ny lalampanorenana rehefa tsy hajaina

Isambilo

Mivaralila ny didy navoakan’ny HCC farany teo mahakasika ny sata mifehy ny mpanohitra hoy ny mpitsara iraisam-pirenena Arlette Ramaroson sy ny mpisolovava Me Olala, nitafa tamin’ny mpanao gazety ny talata teo tetsy amin’ny Hotel Colbert Antaninarenina.

Fanapenam-bava ny mpanohitra no tiana hahatongavana hoy ny mpitsara iraisam-pirenena teo aloha Arlette Ramaroson, fanitsakitsahana ny demokrasia ihany koa ary fanosihosena goavana ny lalampanorenana, na violation grave de la constitution. Nitondrany fanazavana fa ny lalàna tsotra, na ny lalàna fehizoro dia tsy ahafahana manova izay voarakitra ao anaty lalampanorenana, ho an’izay te-hanao izany araka ny fanazavan’izy ireo dia amin’ny alalan’ny fitsapan-kevibahoaka, na référendum ihany.

Arak’izany, ny voarakitra ao amin’ny lalampanorenana hoe Vondrona Politika mahakasika ny sata mifehy ny mpanohitra dia tsy azo ovana ho : Vondrona Parlemantera, fa fanitsakitsahana ny lalampanorenana ny fanaovana an’izany. Nitondrany fanazavana avy eo ny fampahatsiahivana ny zon’ny mpanohitra araka ny lalampanorenana ao amin’ny lalàna 2011-013 tamin’ny 9 septambra 2011, izay efa nankatoavin’ny HCC. Nitondrany fanamarihana koa : ny fanapahan-kevitra navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana momba ny Satan’ny Mpanohitra 2021-06, izay tsy manaraka ny lalampanorenana.

I Me Willy RAZAFINJATOVO na Olala kosa dia nilaza fa : HO MAY NY AFO NATSANGANY IO FITONDRANA IO”. Tsy misy olona na iray aza hoy izy afaka manova ny lalampanorenana, raha tsy avy amin’ ny alalan’ ny référendum. Tsy azo ihodivirana ny maha lehibe ny mpanohitra ny Filoha Marc Ravalomanana, satria izy no nahazo vato betsaka indrindra. Hiteraka olana goavana eto amin’ny tany sy ny firenena ny filazana fa tsy maintsy olom-boafidy ao amin’ny antenimierampirenena no ho lehiben’ny mpanohitra, hoy ihany ity mpisolovava ity. Raha ny voalazan’ny lalàna, dia izay kandidà filoha tsy lany tamin’ny fifidianana farany no apetraka ho lehiben’ny mpanohitra. Tsy izany anefa no miseho ankehitriny, fa mitady tombontsoa manokana ho azy ny mpitondra, ka nanova izany ary nolanian’ny HCC. Rehefa tsy ho hajainareo mpitondra ihany io lalampanorenanana io, aleo ravana izany lalampanorenan’ny Repoblika faha-4 izany hoy ihany ny fanambarana.