Mikaikikaika ny mpamokatra – Tafidina 15000 Ar ny vidin’ny lavanila manta 1 kg

Latsaka ambany dia ambany ny vidin’ny lavanila amin’izao fotoana.

Aly

Mitaraina sy mikaikaika amin’izao fotoana ny tantsaha mpamokatra lavanila any amin’ny faritra Sava, sy any amin’ireo faritra mpamokatra ity vokatra fanondrana ity eto amintsika.

Tafidina hatramin’ny 15000 Ar ankehitriny ny vidin’ny lavanila 1 kg any an-toerana, raha nahatratra 200000 Ar ny vidin’ny kilaon’ny lavanila maitso teo aloha, ary 1500000 Ar, ka hatramin’ny 2000000 Ar ny masaka efa voakarakara. Noho ny fidiran’ny fanjakana nitsabaka tamin’ny famerana ny vidin’ny lavanila, no mahatonga izao olana izao. Nanenjana ny tantsaha tamin’ny voalohany, nefa lany vola izy ireo ankehitriny, ka tsy maintsy nampijotso ny vidin’ny lavanila io.

Ankoatra izany, maro ireo potika fihariana izay niankina tamin’ny fidiram-bolan’ireo mpamokatra lavanila, toy ireo mpivarotra kojakoja samy hafa, dia ireo mpivarotra moto, mpivarotra panneau solaire…