Filohan’ny Jeune RMDM Toamasina – Fotoanan’ny hetsika na ny « action » amin’izay izao

Nangonin’Isambilo

Tafaresaka tamin’i Lucien, filohan’ny Jeune RMDM Toamasina, ny gazety Ny Valosoa Vaovao, mahakasika ny fiainan’ny vovonan’ny tanora mpanohitra RMDM any amin’ny faritanin’i Toamasina, sy momba ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny. Dinidinika :

– Gazety Ny Valosoa Vaovao (GNVV): inona no tena antony nananganana sy ny antom-pijoroan’ny Jeune RMDM Toamasina ?

– Lucien Jeune RMDM Toamasina (L-JRMDM): ny antony nampijoroana azy dia mahita ny zavatra tsy mety eto amin’ny firenena, mahita ny zavatra maro izay mila havaozina, mila hamboarina, mila hahitsy, dia nandinika ny tanora hoe : aleo isika hanangana zavatra anankiray, satria manana fijery manokana ihany koa izahay fampandrosoana, manana fijery manokana izahay hoe : inona ny hatao mba hahafahana hiala amin’ity zavatra manjo ny Malagasy, manjo an’i Madagasikara ity, izay no mahatonga anay nampijoro an’ity Jeune RMDM ity aty Toamasina.

– GNVV: inona no heverinareo tanoran’i Toamasina ho olana amin’ity fitondrana Rajoelina ity ?

– L-JRMDMT: ny resaka anisan’ny hitanay dia ny resaka tsy fananan’asa, izay ny zavatra tena hita ho olana amin’izao. Nisy ny teny natao hoe hanokatra orinasa, hanome asa, nefa rehefa jerena ilay izy tsy hita ny fampiharana ireny teny ireny, fa kobaka am-bava fotsiny. Ankehitriny, miha-be dia be ny tanora izay tsy manana asa, miha-be dia be ny tanora very asa sy ny sisa sy ny sisa,… dia izay izany dia miezaka hoe: ahoana ny hatao mba hahafahana handresena izay tsy fananana asa ho an’ny tanora izay.

– GNVV: ho an’ny tanora RMDM Toamasina, manao ahoana ny fahavitrihan’ny mpikatroka?

– L-JRMDMT: hatreto aloha, hita miezaka ny tanora, miezaka ny ekipa, satria vao mahita zavatra tsy mety izy ireo dia mijery ny ho vahaolana amin’izany, mijery ny zavatra mety hatao hanitsiana iny tsy fetezana iny, mba ho fanatsarana ny tanora sy ny toe-piainany, indrindra ny aty Toamasina, mba hahitana ny asa, ahitana hoe: inona no mety ho vokatsoa ho azon’ny tanora aty Toamasina?

– GNVV: voalaza fa misy ny olana anatiny amin’izao fotoana amin’ny Jeune RMDM Toamasina, inona no heverinareo ho vahaolana amin’izany?

– L-JRMDMT: ny tena marina, izaay tsy mampisy olana be loatra hoe misy karazany ilay izy, fa ny zavatra tianay dia hoe: rehefa tanjona iray, iray ny tanjona dia tokony samy manatratra an’izay zavatra kinendry izay. Fa ny zavatra angatahanay fotsiny dia tokony miara-miasa foana ao anatin’izay satria ekipa iray, tokony hiara-miasa fa tsy misaratsaraka. Ary izahay dia misokatra amin’ny rehetra hatrany, misokatra amin’ny fifampidinihana, mba hampiray ny ekipa. Rehefa miray ny ekipa dia hirosoana amin’izay ny hetsika, na ny “action”.