Fankalazana ny Fetim-pirenena – Misy toe-javatra mifanohitra maromaro

Andry Tsiavalona

Tena fety be ho an’ny mponina teto an-drenivohitra tokoa ny faha iraika ambienimpolo taona ny namerenana ny fahaleovantenan’i Madagasikara. Tena taty Madagasikara ihany koa ny mason’izao tontolo izao, satria misy toe-javatra mifanohitra maromaro misy eto. Manaporofo izany ny tarehimarika mivoaka ofisialy izay toa maneho fa resy ny aretina covid-19. Manamafy izany ny tsy fanarahan’ny mponina eto an-drenivohitra, mihevitra izany, ny fepetra ara-pahasalamana toy ny fanaovana arovava sy orona. Etsy an-kilany koa, araka ny fanambaran’ny Praiminisitra dia ferana ny isan’ny olona mivory tsy hihoatry ny efajato kanefa dia efa aman’alina maro no tonga nijery ny matso tetsy Mahamasina.

Azo inoana fa efa fantatra talohan’ny matso izany fanapahankevitra izany matoa nolazaina, fa ireo olona nahazo tapakila nozaraina tany amin’ny Boriborintany ihany no nolazaina fa nahazo niditra tao. Manaporofo ity toe-javatra ity, fa tsy misy fanapahan-kevitra matotra raisin’izao fitondrana izao. Ankalazaina tato ho ato ny fiandrianam-pirenena, ary tokony nampisehoana izany ny fetim-pirenena toy izao kanefa naka tahaka ny fihetsika sy ny famindran’ny tafika any ivelany ny foloalindahy malagasy, izay efa nanana ny azy manokana teo aloha. Tsy nisy fihetsika sy fitafiana mifanaraka amin’ny soatoavina sy fomba mampiavaka ny maha malagasy nandritra iny matso iny. Ny hay ady avy any Korea Atsimo no nanaovan’ny mpitandro ny filaminana fampisehoana, fa tsy ny hay ady malagasy toy ny « diamanga » sy ny « moraingy » ohatra. Mbola manaporofo ny tsy fisian’ny fiandrianam-pirenena ihany koa ny tsy fandraisana andraikitra sy fitadiavana vahaolana matotra sy mifandraika amin’ny kere any Atsimon’ny Nosy, fa dia ireo firenena sy fikambanana iraisam-pirenena indray no mihazakazaka mamonjy ny mpiray tanindrazana. Rehefa tsy misy ny hambompo dia tsy hisy velively ny fiandrianam-pirenena, satria midika ho fiankinan-doha izany na tsy mivantana aza.

Tsy manan-kambo ihany koa izao mpitondra izao satria dia afa-baraka ny firenena manoloana ny zava-misy any Atsimo navoakan’ny mpanao gazety avy any ivelany momba ireo vahoaka mihinana hoditra omby maina, satria tsy misy na inona na inona intsony azo hanina. Vola tsy toko tsy forohana no lany nananganana ny kianjaben’i Mahamasina, ka raha volan’ny fitondrana malagasy madiodio tokoa no nanaovana azy dia mahamenatra ny fahitàna ireo trano vita amin’ny plastika honenan’ny mponina sy ireo matory any ambany tonelina sy eny ambany tetezana ary eny amin’ny tohatohabato sasany. Vola be ihany koa no lany tamin’ny afomanga nalefa taorian’ny matso kanefa na ny haninkohanin’ny vahoaka tsy mandady harona aza dia manahirana azy.

Azo lazaina fa revo amin’ny zavatra mirentirenty fotsiny izao fitondrana izao, ka tsy manana fanetren-tena hiara-miaina ny fahantrana amin’ny vahoaka nampindrana ny fahefany aminy. Manova ny tantara tokoa izao fitondrana izao, satria tsy manome lanja sy hasina ny maha malagasy sy ny soa toavina ary ny kolontsaina izay mampiavaka ity Firenena ity amin’ireo firenena any ivelany. Eo koa ny fanovana ny anaran’ireo vakoka : Rovan’i Manjakamiadana tadiavina hovaina ho « Rovan’i Madagasikara », ny Kianjan’i Mahamasina antsoina « Kianjan’ny Barea » kanefa ny « Vato Masina » ao no maha Mahamasina azy ary tsy nisy ary tsy misy « fahatr’omby » ao. Tsy ny kisarisary « Aloalo » misy sarina lohan’omby eny ambony no hahasolo ny Vato Masina ka eo anoloan’ny fahatromby izany no hanao fianianana ny Filoham-pirenena handimby eto.

Tsy mbola nisy nahavita izay ataon’izao fitondrana izao tokoa ny mpitondra rehetra nifandimby nandritra izay iraika ambienimpolo taona izay, satria jamban’ny rehak’izao fiainana izao ary miaina ny filan’ny tanora fanahy.