Didin’ny HCC momba ny mpanohitra – Tsy manaraka ny lalampanorenana, hoy Ravalo

Stefa

Nisy ny fanehoankevitra fohy nataon’ny filohan’ny mpanohitra RMDM, Marc Ravalomanana, raha vao nahita ny fanambarana navoakan’ny HCC, mikasika ny satan’ny antoko mpanohitra izy. Tsy manaraka ny lalampanorenana iny didy navoakan’ny HCC iny, hoy ny filoha Ravalomanana. Niantso ny mpahay lalàna izy andinika izany, ka na tao anatin’ny fotoana fohy aza no nandinihana azy dia hita mibaribary fa mifanohitra amin’ny lalampanorenana ny fanambaran’ny HCC momba ny satan’ny mpanohitra. Mbola hisy ny fotoana hanehoan’ny filoha Marc Ravalomanana sy ireo mpahay lalàna miaraka aminy an’izany ho fanta-bahoaka.

Ankoatra izany, noho ny Asaramanitry ny fetim-pirenena ny 26 jona lasa teo, niarahaba ny vahoaka Malagasy tsivakivolo ny filoha Marc Ravalomanana : « amin’izao fetin’ny Asaramanitra izao dia ny fankalazantsika ny tsingerin-taona faha-61 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara dia misaotra an’Andriamanitra Andriananahary lehibe isika, fa mbola nomeny fahasoavana sy fitahiana, ka afaka nankalaza izany andro manantantara eo amin’ny fiainam-pirenena izany. Na dia teo aza ireo fahasahirana maro izay mbola lalovan’ny firenena sy ny vahoaka Malagasy, indrindra ny valanaretina coronavirus, sy ny fahasahiranana ara-toekarena, dia mbola samy velon’aina isika mianakavy, ka afaka nankalaza izany andro lehibe izany.

Faly aho ary tena faly miarahaba ny vahoaka Malagasy tsy ankanavaka rehetra, na ireo izay eto an-tanindrazana na ianareo izany any ivelany, nahatratra izao andro sarobidy sy manantantara izao. Miarahaba tratry ny Asaramanitra. Mirary antsika rehetra ihany koa mba ho samy hankalaza izany ao anatin’ny hafaliana sy haravoana. Izao andro fankalazana izao ihany koa anie hamelona indray ilay fanantenana eo amin’ny vahoaka Malagasy tsirairay, ka ahafahana mibanjina sy miatrika ilay tena fahafahana sy fahaleovantena marina eo amin’ny lafiny rehetra dia ny fahaleovantena ara-toekarena, ara-politika, ary ny ara-tsosialy izany. Koa mirary antsika rehetra aho mba samy hanao fety sambatra. Homba antsika hatrany Andriamanitra ». Raha io fanambaran’ny filohan’ny mpanohitra RMDM, sady filoha nasionalin’ny antoko TIM io, mbola tsy tena azontsika ny fahaleovantena ara-toekarena, ara-politika ary ara-tsosialy.