Tranon-dRavalo eny Faravohitra – Vahiny sy Malagasy mihaodihaody mampiahiahy

Niaina

Misy vahiny sy Malagasy mihaodihaody sy mampiahiahy teny amin’ny trano fonenan’ny Filoha Marc Ravalomanana tato ho ato. Azo sary tamin’ny antsoina hoe : « caméra de surveillance » ireto olona ireto ary hita tamin’izany fa tsy mazavazava ny fihetsika ataony, manodidina ny tranon’ny filoha nasionalin’ny antoko TIM, sady filohan’ny rodoben’ny mpanohitra RMDM, Marc Ravalomanana.

Ny laharan’ny firakodia izay nentin’izy ireo koa dia nivadika, ka eo no nahatonga ny manodidina an’i Dada ho mailo. Mbola fampihorohoroana atao amin’ny filoha Marc Ravalomanana indray izao fihetsika izao raha ny fahitan’ny mpanara-baovao azy. Tao aorian’ny nisian’ny andiana zandary nanara-maso ny teny amin’ny trano fonenan’ny filoha Ravalomanana, sy nanara-maso ny lalan-kalehany arak’izany, dia ireto olona toa mpikarama an’ady ireto indray no hita teny Faravohitra.

Mbola tsy naharenesam-peo mahakasika izao toe-javatra izao ity filohan’ny antoko mpanohitra eto amintsika ity, heverina fa tsy maintsy hisy ny fanambarana hataony momba izao antsojay lava natao, sy atao aminy izao.