Rasalama, Ankadifotsy, Antanimena – Nanao dia am-pilaminana ireo vehivavy mahatsapa fahasahiranana

Helisoa

Nifamotoana teo anoloan’ny kolejy Rasalama ireo vehivavy mahatsapa ny fahasarotan’ny fiainana ankehitriny ny sabotsy teo. Nampiavaka ny hetsika nataony tamin’izany ny nanaovan’izy ireo fitafiana maitso, fotsy, mena ho mariky ny fitivan-tanindrazana ao anatiny, araka ny fanambarana nataon’ny mpikarakara.

Taorian’izany dia nisy ny dia an-tongotra am-pilaminana nataon’ireo vehivavy mahatsapa fahasahiranana, olompirenena tsotra mandray andraikitra ireo, nihazo an’Ankadifotsy, nipaka tao amin’ny zaridainan’Antanimena. Taorian’ny hetsika am-pilaminana nataon’izy ireo dia nisy ny resaka nataony tamin’ny mpanao gazety, nanehoany ny alahelony ho ren’ny mpitondra fanjakàna mahakasika ny fahasahiranana iainany amin’izao fotoana.

Matoa izahay manao hetsika toy izao dia misy ny hevitra tianay hipaka any amin’ny mpitondra fanjakàna, satria tena mahatsiaro mijaly izahay renim-pianakaviana, hoy izy ireo. Eo ny fidangan’ny vidim-piainana, izay tsy araky ny fahefa-mividy intsony. Ny tsy fandriampahalemana mila hampiteny ny moana tsy an-tanàn-dehibe, tsy ambanivohitra sns…, nefa tsy misy fandraisan’andraikitra ataon’ny mpitondra. Ilaina ny fanaovana fotodrafitr’asa, nefa mba tokony ho jerena ihany koa ny laharam-pahamehana ho an’ny vahoaka, fa tsy izay mahafalifaly fotsiny no atao hoy izy ireo. Tokony ho ny mahasoa no imasoana hoy izy ireo, vao ny mahafinaritra. Tsy mitazam-potsiny izahay renim-pianakaviana hoy ny nambaran’izy ireo, fa mampaneno lakolosy ho an’ny mpitondra fanjakàna.