Fitondrana Rajoelina – Hafa ny teny lazainy, hafa ny zavatra ataony sy hataony

Andry Tsiavalona

Raha fampiasana teny sy makety dia tompondaka eran-tany izao fitondrana izao, indrindra ny filohan’ny Repoblika Rajoelina. Nandritra ny tetezamita dia nentina nampandry adrisa, ka naverimberin’ny filohan’ny tetezamita ny voambolana “hambompom-pirenena” sy ny “fitiavan-tanindrazana” ary ny “fiandrianam-pirenena”. Amin’izao fotoana izao dia ny “fitiavana no lehibe indrindra”, ny “velirano” sy ny “firaisankina” ary ny “tany tan-dalàna”.

Rehefa dinihana anefa ny tranga sy ny nataon’ny fitondrana dia tsy misy azo itarafana ny zavatra nataony na ataony ireo voambolana ireo. Tamin’ny tetezamita dia azo lazaina fa tsy nisy izany “hambompom-pirenena” izany, satria ny olona iray raha manana izany dia tsy mitambitamby na amin’iza na iza ary tsy mitady izay ahazoana zavatra iray na amin’ny fomba ahoana na ahoana. Iaraha-mahatsiaro fa tsy nisy fiaraha-miasa tamin’ireo mpiaramiombon’antoka, indrindra ara-bola, tamin’ny fitondrana tetezamita. Taratry ny tsy fisin’izany “hambom-pirenena” izany dia ny fanerena ireo orinasa mpitrandraka harena an-kibon’ny tany, Wisco sy Ambatovy, nandoa vola zato tapitrisa ariary isanisany. Teo koa ny famarotana ilay “Air Force One II” tamin’ny vidiny ampahatelon’ny tokony ho izy.

Tsy nisy teo amin’ny mpitondra ny tetezamita izany “fitiavan-tanindrazana” izany, satria raha tsy tia ny mpiray firenena ny olona dia sarotra ny hino fa tia ny tany ipetrahany izay tsy afaka haneho izany aminy. Tsy tia ny mpiray firenena taminy anefa ny mpitondra tamin’ny tetezamita, satria nanao sorona aina maro, tsy teny Ambohitsorohitra ihany fa hatreny Tanjombato ary tsy vitan’izany, fa nampandoro sy nampandroba fananan’olona Malagasy. Rehefa mankahala mpiray Firenena araka izany dia tsy azo lazaina ho tia tanindrazana.

Raha ny resaka “fiandrianam-pirenena” indray dia tsy nanana ny fiandrianany ity Firenena ity nandritra ny tetezamita, satria tsy nisy nanaiky izany fitondrana izany ny firenena maneran-tany ary tsy nisy nanasa tamin’ireo fivoriana iraisam-pirenena ny filohan’ny tetezamita na dia teo aza ny fiaraha-mitantana tamin’ny ankolafy hafa nisy. Nanana teny filamatra “ny fitiavana no lehibe indrindra” tena nampitsiry fanantenana tao am-pon’ny maro io teny io, tsy fanehoana fitiavana ny mpiray firenena anefa no ataon’ny mpitondra ankehitriny, fa fitiavana mitongilana any amin’ireo vahiny ary porofon’izany ireo ady tany etsy sy eroa, kanefa dia ireto farany no arovan’ny mpitondra amin’ny alàlan’ny fandefasana “mpitandro ny filaminana” izay gasy ihany.

Tsy fanehoam-pitiavana ihany koa ny tsy fanomezana zon’ireo mpianatra tsy omena ny vatsim-pianarana sy ny tsy fandoavana ny karaman’ny mpiasa, tsy ny eny amin’ny Oniversite ihany, fa hatrany amin’ireo orinasa miankina amin’ny fanjakana koa. Natao “ny velirano” kanefa rehefa velesinao ny rano dia mitsoaka daholo ny hazan-drano ao, ka tsy hahazo na inona na inona izay mikasa hanjono na hanarato ao.

Tsy mahagaga raha tsy misy asa mivaingana vita tao anatin’ny roa taona sy tapany nandraisan’izao fitondrana izao ny fahefana. Tsikaritra fa isaky ny mikabary ny filohan’ny Repoblika dia toa mitaky “firaisankina” foana. Tsy mazava intsony raha tsy misy izany firaisankina izany eo anivon’izy samy mpitondra, sy samy mpomba dia atao ny fiantsoana. Raha ny tsapa amin’ny fihetsika sy ny fomba anaovana ny antso dia tsy miantefa amin’ny mpanohitra na amin’ireo fiarahamonim-pirenena, na amin’ireo hery velona samihafa misy eto amin’ny Firenena.

Mandrangaranga fa “tany tan-dalàna” i Madagasikara, ka tsy misy olom-pirenena ambonin’ny lalàna izany eto, fa izay mandika lalàna na manao hetsika mifanohitra amin’ny lalàna dia tsy maintsy hampiharina aminy ny lalàna manankery. Iaraha-mahalala sy mahita anefa fa izao fitondrana izao no mpanitsakitsaka lalàna ary tsy mahamenatra azy ireo ny manao toy ny tsy misy na dia ny Lalàmpanorenana aza. Tsy hitady lavitra isika fa porofon’izany dia ny tsy fampiharana ny sata mifehy ny mpanohitra, izay voasoratra mazava tsara tsy azo kosehina ao anaty Lalàmpanorenana. “Kabary zato, teny arivo fa iray ihany no marina”, fa ny an’izao fitondrana izao kosa na marina iray aza tsy misy.