Lalàn’ny mpanohitra nolanian’ny depiote sy senatera – Lalàna sadasada ka tsy eken’ny RMDM

Helisoa

Nanao fanambarana tetsy Bel’Air Ampandrana omaly, ny filohan’ny Rodoben’ny mpanohitra RMDM, sady filoha nasionalin’ny antoko TIM, Marc Ravalomanana mahakasika ny tolo-dalàna vao nolanian’ny senateran’i Madagasikara, sy ny depiote farany teo momba ny satan’ny mpanohitra. Tsy eken’izy ireo izany lalàna sadasada izany, satria mifanohitra amin’ny lalampanorenana.

Manoloana ny fandanian’ny Antamierandoholona ny tolo-dalàna laharana 01-2019-PL, izay manova ny andininy sasantsany ny lalàna 2011-013 mikasika ny Satan’ny Fanoherana sy ny Antoko Mpanohitra eto Madagasikara;

Araky ny voalaza tamin’ny ady hevitra na ny débat tamin’ny 18 desambra 2018 nandritry ny fampielezan-kevitra tamin’ny fifidianana izay ho filohan’ny Repoblika, izay nanambaran’ny kandida Andry Rajoelina, fa raha izy no ho voafidy eo dia ny kandida Marc Ravalomanana no ho filohan’ny mpanohitra.

Araky ny Andininy faha-14 ao amin’ny lalampanorenana, izay milaza fa “… ny vondrona politika mpanohitra dia manendry ny lehiben’ny mpanohitra…”, izany hoe tsy misy filazana mihintsy fa ny vondrona parlementaire no manao izany fanendrena izany, na ihany koa hoe tsy maintsy solombavambahoaka ny lehiben’ny mpanohitra.

Manoloana ny tsy fisian’ny fifampidinihana sy ny fakan-kevitra ireo mpisehatra politika rehetra, indrindra ireo antoko mpanohitra, mikasika ny famolavolana an’io lalàna io izay ny antoko mpanohitra no tena hiantefan’ny votoatin’izany lalàna izany.

Rehefa nivory ny birao politikan’ny Rodobe ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara, na ny RMDM, ny Antoko Tiako i Madagasikara, ary ireo olomboafidy avy ato amin’ny Antoko TIM dia manao izao fanambarana izao:
– Mitsipaka marindrano io lalàna sadasada manova ny lalàna 2011-013, izay tsy niantsoana ny mpanohitra akory tamin’ny famolavolana azy.
– Mitaky ny famoahana ny decret d’application an’ilay lalàna 2011-013 hatrany izahay, fa io no efa lalàna misy kanefa mbola tsy nampiharina akory.
– Manamafy izahay fa entina hanapenam-bava ny mpanohitra sy hanitsakitsahina ny demokrasia io tolo-dalàna io, ka tsy azonay ekena, hoy ihany ity fanambarana nataon’ny filoha Marc Ravalomanana, filohan’ny RMDM ity.